airtel

Actualités

12-mai-2026

VOHIPENO

Zazavavy kely naolan'ny mpampianatra azy

Sample post image

Zazavavy kely iray mpianatra ao amin'ny

12-mai-2026

sekoly ambaratonga fototra ao Ifatsy, distrikan'i Vohipeno no fantatra fa naolan'ny mpampianatra azy. Nanentana ny mpianany ilay Ramose Mpampianatra hoy ny vaovao fa hampanao carnet amin’ny sarany 500Ar. Nahazo 1.000Ar tamin-dReniny hividianana izany ity zazavavy kely kilasy faha-08 ) ity ka nomeny an-dRamose. Andao alaina any an-trano ny vola fameriny fa tsy misy madinika ato hoy ilay Rangahy Mpampianatra nitaona azy. Lasa nanaraka azy ilay zaza, ary naviliny lalan-kafa rehefa niala ny faritry sekoly ka nanaovany ny filan-dratsiny. Simba tanteraka ny fivavian-drazazavavy kely nanaovan-dramose mpampianatra azy. Nentina namonjy toeram-pitsaboana tao Vohipeno moa ilay zazavavikely taorian'ny fahavoazana nahazo azy . Nitory ilay nahavanon-doza moa ny fianakaviana sady nampiharana Dina ity farany. Vola 100.000 Ar sy omby iray notakiana tamin’ilay rangahy ny farany herinandro teo ankoatra ny Fitsarana izay mbola hiandry azy. Manodidina 8 taona eo ho eo ilay zaza raha araka ny fantatra.
Pati
Légende : Ity ilay zaza tsy manan-tsiny voaolana !
 

Dans la même rubrique

12-mai-2026

Raitritra indray ny fanoherana fandaminana

Card image cap
12-mai-2026

asa fanarenana Hanomboka tsy ho

Card image cap
12-mai-2026

be, fikasihan-tanana,… » Voarohirohy

Card image cap
12-mai-2026

Diso izany! Ny havany aza nisaotra ny Fitondram-panjakana »

Card image cap
12-mai-2026

Hanamboatra tsena vaovao ny Ben'ny tananan'i Bemasoandro

Card image cap