airtel

Actualités

26-janv-2023

Actualités

Vokatry ny rivodoza Niakatra ho 8 ny maty, 17 tsy hita popoka

Sample post image

Nivory maika ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC omaly hariva.

26-janv-2023

Ho fandraisana fepetra manoloana ireo traboina marobe manerana ny Nosy no anton’izany. Raha araka ny tatitra azo farany omaly hariva mantsy dia tafakatra 8 hatreto ireo olona namoy ny ainy. Miisa 17 kosa ireo tsy hita popoka ary mbola hifampitadiavana raha tafakatra 43.613 ireo traboina. Ny 14.733 isa amin’ireo no efa nafindra toerana raha miisa 508 kosa ireo trano simba tanteraka. Tsiahivina moa fa faritra miisa 11 no tena voakasik’ity rivo-doza ity hatreto. Miakatra isan’andro araka izany ny vesatra vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso. Mbola tsy mijanona tanteraka mantsy ny ranon’orana hatreto koa inoana fa mbola hitombo isa hatrany ireo traboina.
Nangonin’i Pati
Legende : Ranobe tahaka izao no hita etsy sy eroa vokatry ny fandalova’ny rivo-doza Cheneso !
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap