Natao ady gasy izany raha araka ny fanazavan’ny jeneraly Elack Olivier, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary, hisorohana ny loza hafa mety sanatria hitranga indray raha toa ka hapoaka izany. Tanana no hampiasaina, hiaraha-miasa amin’ireo fokonolona ao an-toerana sy ny kaominina Antananarivo renivohitra ary ny sampana mpamonjy voina sy ny CPC, haharitra herinandro maro. Nambaran’ireo teknisiana eo anivon’ny BNGRC moa fa efa nanomboka tamin’ny taona 2015 izy ireo no manao fikarohana momba ireny vatobe ahiana hihotsaka ireny indrindra fa ny fanaraha-maso ireo zava-misy any ambanin’ny tany any. Hiarahany amin’ny oniversiten’Antananarivo izany ka hataon’izy ireo avokoa ka fikarohana ara-teknika na ara-tsiantifika. Tsiahivina moa fa feno efa-taona omaly Alakamisy 19 Janoary no nilatsahan’ilay vatobe sy tany tetsy ambonin’ Ampahamarinana ka nahafatesana olona mihoatra ny 8 isa. Izany indrindra no nanosika ny BNGRC handray ny fepetra mifandraika amin’izany mba tsy hisy ra latsaka intsony.
Pati
Legende : Nandritra ny famakiana ilay vatobe omaly
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,
Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,
Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny
Hitombo ary hihatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo anivon’ny