airtel

Actualités

08-oct-2025

Vondron'ny mpitsara mitandro ny demokrasia

« Manameloka ny herisetra, tsy

Sample post image

hanaiky hatao fitaovana politika, tsy hifampidinika… »

08-oct-2025

Toy ireo sehatra ara-panjakana samihafa, dia mifoha ihany koa ny Mpitsara manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Nanambara ireo Mpitsara anatin’ny UMSD (Union des Magistrats pour la Sauvegarde de la Démocratie) na Vondron’ny Mpitsara Mitandro ny Demokrasia), fa maneho ny fiombonam-po sy firaisankinany amin'ireo fianakaviana very havana, ireo niharan'ny herisetra, ary ireo orinasa sy mpivarotra tra-boina tamin'ny fandrobana. Nanamafy fa manohitra ny fanodinana amin'ny tsy rariny ny fitandroana ny filaminam-bahoaka ho enti- manakana ny fahafahan'ny vahoaka hisitraka ny Zony, ary manameloka ny fampiasana tafahoatra ny hery izay mifanohitra amin'ny fitsipiky ny Fanjakana demokratika. Miantso ny fametrahana faingana ireo fepetra mivaingana ho enti-manaja ny zo fototry ny olom-pirenena, eo ambany fanaraha-mason'ny Fitsarana madio, marina sy mahaleo tena ny UMSD. Notsiahivin’izy ireo fa mitovy zo sy andraikitra ny mpikambana amin'ity hetsika ity, tsy misy mitarika, tsy miandany ara-politika, ary mampivondrona ireo mpitsara rehetra manana vina iombonana hiaro ny hasin'ny Fitsarana sy hamerina azy amin'ny tanjony voalohany dia ny hanompo ny vahoaka malagasy amin'ny rariny sy ny marina. Nahitsy noho izay ireo Mpitsara nilaza fa tsy fotoanan'ny kobaka am-bava intsony izao fa fanatanterahana ny Fikaonandahan'ny Mpitsara (2012), ny Vaomiera telo tonta (Primatiora - Minisiteran'ny Fitsarana - SMM, 2017), ary ny Symposium nataon'ny Mpitsara (2022), izay samy nanamafy ny filàna Fitsarana mahaleo tena, madio sy manao tamberin'andraikitra. Manamafy ny finiavany hametraka eto Madagasikara Fitsarana mahaleo tena ny UMSD, manameloka ny meloka ho meloka ary manamarina ny marina ho marina, ka tsy voabaikon'iza na iza intsony. « Lavinay ny antso rehetra hifampidinika izay miantefa aminay taorian'ny fanambarana izay nataonay ny 3 oktobra 2025 raha toa izany antso izany ka tsy mikatsaka ny hametraka Fitsarana madio sy mangarahara ka ho hery fialofan'ny Vahoaka malagasy; Raha toa ka mikasa fotsiny ny hanajanonana ny hetsika ankehitriny na hampizarazara anay (satria hita fa mitombo hatrany ny mpitsara mandray anjara mavitrika amin'ny Vondrona), ka sady manambitamby no mampitahotra. », hoy ny UMSD. Nahitsy io Vondron’ny Mpitsara io nilaza fa manameloka ny fampiasana ny Fitsarana ho fitaovana politika, na koa itadiavan'olom-bitsy tombontsoa manokana tsy ara-drariny, mifanipaka amin'ny tombotsoa iombonana ; ireo fanaovana ramatahora sy valifaty atao amin'ny mpitsara masahy mijoro sy mahitsy miatomboka amin'ny tsindry ka hatramin'ny famindrana tsy ara-drariny sy ireo karazan-tsazy tsy mitombona. Manamafy hatrany ny finiavanay hiady tsy ankihemotra hisian'ny Fitsarana madio sy marina, tsy eo ambany vahoan'ny politika, tsy voavidy vola ary tsy miaro tombotsoa manokan'olombitsy; ny faheresenay lahatra hamarana ny tsimatimanota izay iafenanan'ireo andrim-panjakana; ny fiadivanay hanomezana lanja ny fahaizana sy fahamendrehana eo anivon'ny Fitsarana, ka hampitsahatra tanteraka ny kiantranoantrano, izay manome vahana ny fanarahana baiko, hoy hatrany ny UMSD.
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

politika sy mpitondra ny mitandrina vava tsy ambina!»

Card image cap
06-févr-2026

amin'izao Fitondrana izao

Card image cap
06-févr-2026

ny famerenana ny tan-dalàna ny Maorisianina

Card image cap
06-févr-2026

noraisina ny masoivoho vaovao

Card image cap
06-févr-2026

Nampiana 1,82 tapitrisa hekitara ny faritra arovana vaovao

Card image cap