airtel

Actualités

05-nov-2025

Vondrona afrikanina

Manambitamby rehefa tsy noraharahiana…

Sample post image

Nesorin’ny Vondrona afrikanina na UA tsy ho

05-nov-2025

mpikambana ao aminy intsony i Madagasikara, efa ho iray volana izao. Nambaran’ity vondrona iraisampirenena ity tamin’izay fotoana izay fa sazy avy amin’izy ireo no mendrika ho an’ny firenena malagasy rehefa avy nanongana ny fitondràna Rajoelina, izay nambaran’izy ireo fa fitondràna ara-dalàna. Tsy nivakian’ny fitondràna ankehitriny loha moa izany ary ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitr’ireo olompirenena aza dia toy ireny mahatsiaro ireny fa afa-patorana ny firenena niala tamin’ity vondrona ity. Am-polo taonany maro no niarahana tamin’ity vondrona ity saingy izao fahantrana lalina izao no baben’ny firenena. Firenena farany mahantra eto ambonin’ny tany mihitsy. Manambitamby manoloana izany akehitriny, rehefa tsy noraharahiana, ny vondrona afrikanina ary io milaza fa handefa an’i Mohamed Idriss Farah, solontenan’izy ireo, ho eto io hoe hanamora ny fifampidinihan’ny samy malagasy eto Madagasikara. Ilay Madagasikara nefa amin’io efa nambarany ho tsy isan’izy ireo intsony.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-août-2026

Aoka hovitaina hatramin'ny farany ny fanavaozana natomboka"

Card image cap
25-août-2026

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitry

Card image cap
25-août-2026

Lasibatra ny Ekar sy FLM ao Ambinanindrano

Card image cap
25-août-2026

Manoloana ireo resaka marobe

Card image cap
24-août-2026

Roa maty nihotsahan'ny tany, roa naratra mafy

Card image cap