Manangam-bovona amin’i Madagadikara indray ny Vondrona Afrikanina amin’ny alalan’ny Filankevitry ny Fandriampahalemana sy ny Fiarovana na CPS). Nisy ny fanambaràna nataon’io CPS io taorian’ny fivoriana faha-1335 natao tany Addis-Abeba ny 10 martsa. Nifantoka tamin’ny toe-draharaha politika eto Madagasikara ny fivoriana. Nanamafy ny CPS fa manohitra tanteraka ny fepetra mandeha ila ny Vondrona Afrikana. Sadi mamoaka no mampiditra kasa milaza fa manaraka akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-politika sy ara-tsosialy eto amin’ny Nosy, ary nahatsikaritra ny ezaka ataon’ny fitondrana amin’izao fotoana izao hanamafisana ny filaminana sy ny rafitra ara-toekarena. Manamafy amin’ny mpitondra Malagasy hanaja ny fandaharam-potoana napetraka, izay voafaritra ho 24 volana, ary hanatanteraka fikaoanandoham-pirenena feno sy andraisan’ny rehetra, ny antoko rehetra anjara. Andaniny, milaza fa miahiahy lalina ny CPS manoloana ny fanesorana ny Praiminisitra sy ny governemanta, izay nambara fa mety hanimba ny fizotry ny tetezamita. Nampirisika ny fitondrana izy mba hanatanteraka tetezamita mazava, mangarahara, mandray anjara ny vehivavy sy ny tanora, ary manaja ny zon’olombelona sy ny fanjakana tan-dalàna. Ao amin’ny andininy faha-5 amin’ilay fanambaràna, ny Vondrona Afrikana dia manentana ny fitondrana tarihin’ny Kolonely Michaël Randrianirina mba hanangana governemanta miray hina sy tetezamita ifanarahana, izay ahitana ny fandraisan’anjaran’ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena. Ny tanjona dia ny hanomanana fifidianana tena malalaka sy eken’ny rehetra. Ao amin’ny andininy faha-6, ny CPS dia miantso mazava ny famotsorana tsy misy fepetra ireo gadra politika. Tena manaraka akaiky ny zava-misy eto tokoa ve izany ny CPS amin’io eo anatrehan’ireo mpanao politika migadra tsy noho ny politika fa noho ny afera sy kolikoly tamin’ny fitantanana ny Firenena ? Io no heverina ho dingana lehibe amin’ny fanamafisana ny fitokisana sy ny filaminana, ary manampy amin’ny fananganana tontolo milamina sy andraisan’ny rehetra anjara amin’ny fizotran’ny tetezamita. Nampirisika ihany koa ny CPS ny fiaraha-miasa amin’ny UA sy ny SADC ho fanamafisana ny dingana. Milaza ho mankasitraka ny fandaharan’asa momba ny “Refondation” natolotry ny fitondrana tamin’ny 28 febroary ny CPS, na dia mbola misy aza ny fanontaniana momba ny hoavin’ny fifampidinihana nasionaly. Noderainy ihany koa ny fandraisana andraikitry ny FFKM amin’ny fanombohana ny dingana. Na dia mitazona fomba fiteny diplaomatika aza ny UA, dia hita fa misy tsindry miafina. Te hamerina ny 2009-2010 amin’ny fandaminana politika mifototra amin’ny fizarana seza ny Afrikanina ka mieritreritra fa famotsorana ireo nanao ny tsy mety teto sy fizarana toerana ao anaty tetezamita no hampilamina ? Vitavita ho azy ny baiko mivantana na ankolaka namonoana vahoaka sy nanaovana habibiana teto nandritra ny tolom-bahoaka ? Tena Firenena manana ny fiandrianany ve no andraisan’ny Vondrona Afrikanina an’i Madagasikara ?
Toky R