hoy ny mpikatroka MFM, William Radriamahaleo, itony Parc de l'Est ao Antsirabe itony dia mampiseho fa nisy ny vazaha tia gasy, tia an'i Madagasikara ary nanao zavatra betsaka ho soa iombonana lovain-jafy. Io Parc de l'Est io dia i Pierre Boiteau, fony izy nanao fanompoam-pirenena frantsay taty no namorona an'io fa «botaniste» mpahaizaridaina izy, hoy izy. Izy koa no nandeha nanadina ny boka tany Manankavaly, nahita ny fampiasàn'ireo boka ireo ny talapetraka ho ody fery nanamboaran'i Ratsimamanga ny Madécasol namidiny tamin'ny laboratoara frantsay. Voaroaka moa i Boiteau tamin'ny 1947 noho ny fiandaniany tamin'ny tolona nataon'ny gasy. Izao no porofon'ilay ataon'i Tsilavina Ralaindimby hoe isika malagasy tsy mahasoa zavatra, hoy hatrany ity mpanao politika mpikambana ao amin’ny Mpitolona ho an’ny fandrosoan’i Madagasikara ity.
Nangonin’i J. Mirija
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa