airtel

Actualités

18-mai-2022

Actualités

Women in Business Tokony hiroso hatrany ny vehivavy mpandraharaha

Sample post image

Manana ny maha-izy azy ny vehivavy mpandraharaha. Tokony ho faka tahaka izy ireny hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy omaly talata 17 mMey tetsy amin’ny hotel Carlton Anosy.

18-mai-2022

Notanterahina tamin’io andron’ny omaly io tokoa mantsy ny fikaonan-dohan'ireo vehivavy mpandraharaha "Women in Business" andiany fahatelo izay nahafantarana fa miisa 100 ny ivon-toerana fanodinana vokatra aroson’ny MICC ho fanampiana azy ireo. Hampitomboana ny harin-karena faoben’i Madagasikara amin’ny alalan’ny taninketsa indostrialy". Mandray anjara feno amin’izany ny vehivavy amin'ny fandraharahana, manana ny fahasahiana hiroso hatrany ary mijoro manoloana ny fahasarotana lalovana toy ny takaitra nentin’ny valan’aretina COVID 19. "Ny fahasahiana, toetra Hananan’ny vehivavy, mitondra fandresena kanefa ny fandresena no fetra amin’ny fandraharahana », hoy ihany ny Minisitra misahana ny fampiroboroboana ny indostria. Nanamafy izy fa ny kaoperativa hivondronan’ny vehivavy eny ifotony dia isan’ny fanoitra mampandroso ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Mandray andraikitra ny Fitondram-panjakana hitsinjovana ny tontolo madio, lavitry ny kolikoly eo amin’ny fandraharahana ka isan’ny fepetra napetraka ny fisian’ireo lalàna maro samihafa toy ny lalàna mikasika ny fampiasam-bola sy mikasika ny fandraharahana ara-indostria. Nifarana omaly ihany ny hetsika.
Nangonin’i Pati
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap