olona manan-karena indrindra eto Madagasikara. Tamin’ny 29 desambra taona 1959 no teraka i Ylias Akbaraly. Manana fihaviana indo-pakistanais araka ny filaza azy ireo eto Madagasikara ka mizaka kosa ny zom-pirenena Malagasy. Manana ny diplaoma Maitrise momba ny fitantanana, ny Master amin’ny resaka varotra toekarena, ary misehatra amin'ny fananorenana sy fananan-trano, indostria, fizahantany, fitaterana ana habakabaka , broadcasting. Ny orinasany ao anatin’ny Groupe Sipromad no mpamokatra ny taratasy entina midio toy ny Lys sy ny Doucy. Azy ihany koa ny GS Aviation izay ahitana fiaramanidina roa lehibe sy tena manara-penitra. Mbola azy ny GS Immobilier (Tour Redland), ilay trano mijoalajoala be etsy Ankorondrano. Mbola mpiray ombon’antoka ara-bola ao amin’ny Brinks ihany koa ny tenany, ny Orange Money filiale an’ny Sipromad izany ahitana ny Global Technologies & Energies. Miasa amin'ny sehatry ny angovo, herinaratra, fifandraisan-davitra sy ny tekinolojia, ny fintech, ny digital Mystore. Mbola izy ihany koa no nahazo alalana hanao fifanarahana ara-barotra momba ny Apple eto Madagasikara. Tsiahivina fa izy no filoha mpitantana ny Redland ahitana ny Sipromad, ny GatesAir ary ny Thomson BroadCast. Mampiasa olona mivantana na ankolaka miisa 3000 izy any Etazonia sy Frantsa ary Inde sy Moyen-orient. Eo amin’ny lafiny ara-politika dia fantatra akaikin’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka izy ary niara-niasa tamin’ny zanany vavy. Anisan'ireo voatondro ho akaiky sy niara-niasa tamin'i Andry Rajoelina ihany koa i Akbaraly izy fony ity farany Ben’ny tanàna tamin’ny taona 2007 .
I Hassanein Hiridjee indray dia teraka ny 24 Martsa taona 1975. Teratany Indiana, mizaka ny zom-pirenena malagasy izy ary manana ny diplaoma Master amin’ny resaka fitantanam-bola. Anisan’ny sehatra iasany ny resaka fifandraisan-davitra, angovo, fananan-tany ary ny toekarena. Azy ny Vondrona Axian, ny Fondation H, ny Chaire Innovation ahitana sekoly 42 isa. Anisan'ny ananany petra-bola lehibe ny Telma sy ny banky BNI. Efa mananika ny 2 miliara dolara mahery kely raha atambatra ny tombam-pananan'izy mirahalahy ireto, izay laharana voalohany sy faharoa eto Madagasikara ary manomboka mametraka ny asany any Afrika ihany koa. Maro no mihevitra fa anisan'ireo mpanefoefo manana ny ambarany momba ny fitantanana ny firenena indrindra fa ny lafiny ara-toekarena izy ireo na dia tsy miseho mivantana aza. Tena miteraka fahefana politika tokoa mantsy ny fahefana ara-bola.
RTT
feno avokoa ireo fitaovana fototra rehetra ho an’ny fananganana ny tobim-pamokarana
Mivoatra be ankehitriny ny raharaha SMMC, hoy ny FISEMARE na Firaisamben’ny
Nanao fanehoan-kevitra mivaivay manoloana ny toe-draharaham-pirenena i Siteny Randrianasoloniaiko,
Lehilahy teratany vahiny iray, 55 taona, no hita niantona tamin'ny fehikibony
Tranga mahatsiravina no nitranga tao Befidina, Nosy Be ny faramparan'ny herinandro teo.
Tsy manam-piahy ny ankamaroan'ireo zokiolona eto amintsika.