airtel

Actualités

14-sept-2022

Actualités

Yves Rabarijoely “Tsy mila ady na amin’iza na amin’iza aho”

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginany, nitondra setriny manoloana ny raharaha ady tany eny Mangarivotra Faravohitra nanononona ny anarany I Yves Rabarijoely Faralahy.

14-sept-2022

Ny taona 2017, nividy ampahana tany 343m2 Titre n° 14260-A amin’ny anaran’ny “Villa Vero” tamin’Atoa Hery Rasoamaromaka aho. Hatreo ihany no hidiran’Andriamatoa governora amin’io resaka tany eny Faravohitra io ka aoka izay ny fanaratsiana sy fandotoana azy”, hoy Atoa Yves Rabarijoely.
ARA-PANJAKANA
Nambarany fa taty aoriana, dia nanatona azy ny tompon’ny tany ka nilaza fa hamidy ihany koa ny ampahany faharoa mirefy 186m², ka manambatra ny tany rehetra amin’ny Titre Villa Vero ho lasa 529m², izay nomarihiny fa nisoratra tanteraka tamin’io olona io ny “Certificat de Situation Juridique” sy ny “Titre”, amin’ny anaran’Atoa Rasolomanana Razafintsalama Jaona satria ilay rahalahiny Rasolomanana Razafintsalama Josoa mpiara-mandova aminy dia efa nodimandry, ary samy tsy nisy niteraka izy roalahy ireo, dia ilay mbola velona no mandova, ary mbola nohamarinina sy nohamafisina ara-panjakana sy teo anatrehan’ny vavolombelona araka ny “Fanamarinana ara-pandovana N°23/28 tamin’ny 24 aprily 2018. Araka io taratasy io izay nohavaozina ny 01 martsa 2022, dia izy mirahalahy ireo izay efa nodimadry ny iray no zanaka mpandova ny Ray aman-dReniny tompon’ny tany dia Rasolofomanana Jean sy Razafintsalama Razanadrasoa Vero, samy efa maty.
EFA TSY NISY OLONA NO NOVIDIANA
Nohazavain’I Yves Rabarijoely fa mbola nisy olona nipetraka teo amin’ilay tany ka nilazany tamin’Atoa Rasolomanana Razafintsalama Jaona fa “tsy afaka ny hividy an’io aho raha misy olona mipetraka eo amin’io ampahatany faharoa io”. “Izaho tompoko tsy nanery sy tsy naniraka na iza na iza hanala ireo olona ireo izay nipetraka tao, noho izany tsy izaho velively no nitondra mpitandro filaminana nanala ireo olona ary io, na koa nitonontonona ny anaran’ny governora na ny Tale kabinetrany izay tsy misy hidirany akory”, hoy Atoa Yves Rabarijoely. “Rehefa afak’I Jaona teo ireo olona ireo dia nanatona ahy indray izy raha mbola mazoto hividy ilay tany, dia izay no nahatonga ilay tany novidiako ary misy “acte de vente” voamarina ara-dalàna tao amin’ny Firaisana faha-3 tamin’ny 4 martsa 2022”, hoy hatrany I Yves Rabarijoely, izay namoaka mazava ny taratasy voamarina ara-panjakana. Mikasika ny horonan-tsary nataon’ireo Rtoa roa mipetraka any ivelany kosa, tsy misy hidirany velively amin’ilay tany ampahany faharoa voalaza etsy ambony, fat any hafa mihitsy izay manana “titre” hafa mihitsy satria rehefa natao ny fanadihadiana dia hita fa ny tany “Vohimanitra II” mitondra ny Titre n°17890-A no novidian’izy ireo, izay mifanila amin’ilay Villa Vero, ka noho izany, hatramin’izay izany dia nipetraka tao amin’ny tany tsy azy ireo olona ireo. Ny “Vohimanitra II”, dia misoratra amin’ny anaran-dRtoa Ravelonanosy Roimeny, ary ny tany “Villa Vero” kosa dia tamin’ny anaran-dRasolomanana Razafintsalama Jaona izay nivarotra tamin’Atoa Yves Rabarijoely, izay tsy nandroaka na iza na iza tamin’ny tany ary tsy nisoloky ny anaran’iza na iza araka ny fanenjehana azy, ary niantso ny hanatsaharana ihany koa ny fanononana sy fanaratsiana ny anaran’ny governora satria tena tsy misy hidirany intsony ilay raharaha, araka ny fanazavana. "Tsy manakorontana na mila ady aho, fa milaza ny zava-misy araka ny taratasy am-pelatanako, ary na ny governora Rasoamaromaka aza anie tsy tokony ho voatonotonona sy voahosopotaka amin'ity raharaha ity", hoy hatrany i Yves Rabarijoely.
Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap