Natao hanampiana indrindra ireo tanora efa misehatra amin’izany, indrindra fa ny fikirakirana ny informatika dia nisy ilay Salon des emplois du numérique à Madagascar mitondra ny anarana hoe : Zah@Geek 2.0. Tetsy amin’ny garan’i Soarano no nanatanterahana izany nifarana tamin’ny Sabotsy teo rehefa naharitra roa andro. Ny Orange Digital Center Madagascar no nikarakara ny hetsika ka orinasa manodidina ny 30 isa no nandray anjara tamin’izany, izay nanolo-tanana ireo tanora manana diplaoma mitady asa avy hatrany. Mihoatra ny 3.000 isa kosa ireo tanora tonga nanatrika izany, izay marihina fa vao herotrerony avokoa ny ankamaroany raha mihoatra ny 100 ireo karazan’asa natolotra. Tonga nanatrika izany ny Ministry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampandrosoana nomerika Tahina Razafindramalo, notronin’ny Ministry ny fampianarana teknika Rtoa Gabriella Rahantanirina Vavitsara. Tsiahivina moa fa mihoatra ny 1.000 isa ireo CV voaray nandritra izany. Manodidina ny 150 kosa ireo tanora nahita asa teo noho eo. Mikasika ny Orange digital center Madagascar manokana dia fantatra fa tanora an’arivony no efa nomeny fiofanana mikasika ny tontolo nomerika teto amintsika. Maro ireo tetikasa tanterahiny ao anatin’izany toy ny Ecole du code, ny FabLab Solidaire….
Pati
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny
Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny
Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na
Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,
Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,
Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.