airtel

Actualités

03-nov-2021

Actualités

Zandarimariam-pirenena “Aza ampidirina amin’ny loko na firehana politika izahay”

Sample post image

“Tsy misy hidiran'ny zandarimariam-pirenena ny resaka hafatra miafina tao anaty vondrom-pifandraisana iray atao hoe "Fb Com",

03-nov-2021

 ny Zandarimaria rahateo tsy anisan'ny mpikambana ao”, hoy ny zandarimariam-pirenena eo anatrehan’ny fivoizana resaka sy hafatra nampiarahana amin’ny sary famantaran’izy ireo hoe: “Tsy ekena intsony ny fanaratsiana sy fanompana fitondrana”. Hojerena izay fepetra mifanandrify amin'io fampiasana ny anarana sy famantarana ny Zandarimaria io amin'ny tsy tokony ho izy, hoy ny fampitam-baovao. Nisy ihany koa ny hafatra mafonja naneho hoe: “aza ampiasaina amin'ny loko na firehana politika ny Zandarimaria. Ny Zandarimaria dia miaro Andrim-panjakana, ny olona rehetra tsy ankanavaka sy ny fananana fa tsy miaro firehana”, hoy hatrany io fampitam-baovaon’ny zandary io. Nomarihina ihany koa fa tsy natao biby fampitahorana ny zandarimaria fa namana, mpitandro filaminana, mpiaro, mpandamina, mpanaramaso ny fampiharana ny didy aman-dalàna. Ny fiaraha-mientana sy fiaraha-miasan'ny daholobe ao anatin'ny tagnamaron'ny fandriampahalemana no anisan'ny handresentsika ny ratsy ka mba ho afaka hiary am-pitoniana sy hitondra fampandrosoana firenena ny tsirairay, hoy hatrany ny zandarimariam-pirenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap