airtel

Actualités

23-mai-2022

Actualités

Zava-mahadomelina Misy manaparitaka indray ny mofomamy misy rongony

Sample post image

Efa mihitatra mihitsy ny fomba fanaparitahan’ireo tsy mataho-tody ny zava-mahadomelina amin’izao. Malaza be indray ny space cake mofo misy rongony ka ireo mpianatra no tena kendrena hanjifa izany.

23-mai-2022

Tompon'andraikitry sekoly iray no nampandre ny mpitandro filaminana fa misy manao opération space cake ao amin’ny faritra hiadidiany. Hamidin'ireo mpianatra 5 000 ar ny iray amin’izany raha 20 000 ariary kosa no hakany ny 10 any amin'ny tompony izay marihina fa tena miketrika ary havanana amin’ity asa ratsy ity tokoa. Ireo mpianatra araka izany no tena manjifa ity mofo misy rongony ity. Raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany dia fanina ary mahatsiaro ny vavany ho mangidy be ireo izay mihinana ity mofo ity. Fanina ihany koa toy ny avy nisotro toaka ary tena sahirana vao mahazo aina. Efa natolotra ny fampanoavana moa ireo mpianatra 2 tsy ampy taona nanaparitaka izany tao amin’ity sekoly iray ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao no paozin’ilay mofo misy rongony
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap