airtel

Actualités

07-mai-2026

ZAZA 5 TAONA

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

Sample post image

Matin'ny fitsaram-bahoaka ilay olona iray

07-mai-2026

voalaza ho mpiray tsikombakomba
Matin'ny fitsaram-bahoaka omaly Alarobia 06 May ny lehilahy iray voalaza ho mpiray tsikombakomba tamin'ny famonoana zaza iray vao 5 taona tany Vohitsara Ampomby, kaominîna Kalandy, distrikan'i Mandritsara ny 27 Aprily lasa teo. Efa voasambotry ny zandary kosa Ilay voalaza ho tena tompon'antoka raha araka ny loharanom-baovao azo. Nandre izany ny fokonolona avy ao Vohitsara ka nirodorodo. Niely mantsy ny feo fa akaiky ilay tena tompon'antoka io lehilahy io. Nanara-bady tao Ankiabe Solohy izy no izao niharan’ny hatezeram-bahoaka izao ka nafoiny hatramin'ny ainy. Mafana ny toe-draharaha any an-toerana vokatr'izany. An-dalana niakatra niazo an'i Mandritsara‚ haka an-keriny ilay Rangahy voasambotra ao amin’ny Zandary koa mantsy ny fokonolona avy ao Andampy, toerana fiavian’ilay zaza nisy namono hatramin'ny omaly hariva. Na izany aza tsy mbola nazahoam-baovao momba ity tranga ity ny Zandarimariam-pirenena ao Mandritsara. Faty roa no ahiana hitsiatra raha tsy voafehy izany.
Nangonin'i Pati
Légende : Ity ilay zaza nisy namono fony fahavelony !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap