airtel

Actualités

23-janv-2024

ZAZA HITA FATY TAO BETSINJAKA TOLIARA

Ahiana ho ny Reniny na ny havany no nahavanon-doza

Sample post image

Zazalahy kely efa tsy nisy fofon’aina intsony mbola nanao atina patalohakely

23-janv-2024

niaraka tamin’ny lamba nandrakofana azy no nisy nandevina nanoloana ny EPP Betsinjaka Toliara II omaly Alatsinainy 22 Janoary, tokony ho tamin’ny 07 ora maraina. Raha araka ny tombana dia manodidina ny 12 volana eo ho eo io zaza tsy manan-tsiny io. Ny tapany ambany no naleviny fa ny tapany ambony kosa nivoaka tety ivelany, antony nahitana ny razana. Mbola nisy ny fialana nenina nataon’ny tompon’andraikitra taorian’ny fizahana nataon’izy ireo saingy tombanana efa namoy ny ainy tamin’ny marainaben’ny omaly Alatsinainy na ny Alahady alina teo io zaza tsy manan-tsiny io. Na izany aza tsy nisy fahabangana ny vatany. Mbola tsy fantatra moa izay havany hany ka natao tao amin'ny biraon'ny kaominina Betsinjaka Toliara ny razana ary nalevina tao amin’ny fasana kristianina ao Toby Betela omaly hariva ihany . Araka ny tomban’ny mpanara-baovao dia mety ho ny Reniny ihany na ny havany akaiky no nahavanon-doza. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no tena hanamarina izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Niboridana kely tahaka izao ny tapany ambonin’ilay zaza !

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap