airtel

Actualités

26-mars-2024

ZAZA VERY NA NITSOAKA

Nahatratra 35 ny fitarainana azon’ny polisy 2 volana

Sample post image

Nahatratra 35 isa ny fitarainana azon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona

26-mars-2024

etsy Tsaralalana momba ny zaza very na nitsoaka tonga tao amin’izy ireo tao anatin’ny 2volana. Nanomboka tamin’ny faran’ny volana Desambra taona 2023 izany ka hatramin’ny faran’ny volana Febroary taona 2024 lasa teo. Very 8 isa tamin’izy ireo ka ny 6 no lahy raha vavy ny 2 ambiny izay samy eo anelanelan’ny 10 ka hatramin’ny 15 taona avokoa. Nitsoaka kosa ny 27 isa izay fantatra fa eo anelanelan’ny 10 ka hatramin’ny 15 taona ihany koa. Ankoatra ny olana ao an-tokantrano dia anisan’ny antony mahatonga ny ankizy hitsoaka tahaka izao raha araka ny fanadihadiana natao ny fiarahany amin’ny namany dia tsy mamonjy fodiana avy eo. Raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany iray moa dia zaza tsy nody indray andro sy indray alina no hatao hoe : very. Ny Fokontany no tokony hatonin’ilay Ray aman-dReny voalohany manoloana ny tranga tahaka izany ka ireto farany indray no miantso amin’ny megaphone sy manaparitaka ny vaovao sao tafandry any amin’ny namany akaiky ilay zaza. Rehefa tsy ahitam-bahaolana izany dia alefa avy hatrany eny anivon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ny fitarainana. Pati
Legende : Ny mahagaga dia betsaka noho io isa azo io ny filazana ombay mitady momba ny zaza very etsy sy eroa !
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap