airtel

Actualités

03-sept-2024

Zaza very tany Maintirano

Hita faty tany anaty ranomasina i Luca

Sample post image

Hita faty afak’omaly alahady 1 septambra tokony ho tamin’ny 10 ora alina ny nofo mangatsiakan’i Luca kely

03-sept-2024

ilay zazalahy kely vao 8 taona monja nanjavona tany Maintirano tamin’io andro io ihany. Raha tsiahivina kely dia nitsena havana teny amin’ny seranan-tsambo izy sy ny fianakaviany hoy ny vaovao. Tsy hita anefa izy fotoana fohy taorian’izay saingy izao vatana mangatsiakany izao sisa no tafaverina eo am-pelatanan’ny fianakaviany. Nanao kilalao ankiafinafina moa i Luca mandrapahatongan’ny sambo niaraka tamin'ny namany , ka mety tam’izany no ahiahina ho nahalatsaka azy tany anaty rano. Na izany aza tsy nahitana nahitana zavatra hafahafa kosa ny vatana mangatsiakany. Anatra ho antsika Ray aman-dReny ny tranga tahaka izao. Mety sy tsara hatrany mantsy raha arahi-maso ny zaza indrindra amin’ny toerana atahorana tahaka izany toy ny amoron’arabe, ny amoron-drano….Lahitokana mantsy ny aina ary ny mahery tsy maody tsy ela velona.
Pati 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap