airtel

Actualités

22-sept-2023

Zaza voatifitry ny flesy ny masony

Vola 2 tapitrisa vao ampy hitsaboana azy

Sample post image

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny distrikan’i Sambava roa volana lasa izay.

22-sept-2023

Zazalahy kely vao 11 taona monja no voatifitry ny namany tampoka tamin’ny flesy ny masony. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia sendra nipoitra tampoka ity farany raha nilalao tsy nanampo na inona na inona kosa ilay namany. Voa mafy vokatr’izany ny mason’itsy voalohany ka voatery nanatona ny Ray aman-dRenin’ilay nahavanon-doza ny Ray aman-dRenin’ilay lasibatra. Fantatra tamin’izany fa vola 340 000 Ar no natolotr’iretsy voalohany. Efa roa volana anefa izao tsy mbola mety sitrana ihany ilay fery na dia efa manao solomaso fiarovana aza ilay zaza ka niroso tamin’ny fifampidinihana ireo ray aman-dreny roa tonta. Fantatra nandritra izany ary fa mety hahalany 2 tapitrisa Ar ny fitsaboana ny mason'ity zaza ity vao mety hisy fihatsarany. Nanambara anefa ny Ray aman-dRenin’ilay zaza nitifitra tsy nahy fa mety tsy hanana izany izy ireo ka voatery nakarina eny amin'ny zandary ny raharaha. Tsy nisy mihitsy mantsy ny marimaritra iraisana teo amin’ny roa tonta hoy ny vaovao.
Pati
Legende : Voatery manao solomaso fiarovana tahaka izao ilay zaza voatifitry ny flesy ny masony !
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap