airtel

Actualités

30-janv-2024

Zazakely vao 2 taona monja

Maty noho ny herisetran-dRaikely sy reny maty fanahy

Sample post image

Zazakely vao 2 taona monja tsy manan-tsiny no matin’ny daroka ny Raikeliny

30-janv-2024

izay mitaiza azy tetsy Manarintsoa akaikin’ny sekoly ambony iray. Voalaza fa mitady vola amin’ny alina ny reniny, ary tsy mba mitsabo sy miraharaha an’io zaza io mihintsy sady mamo foana vao tonga an-trano. Indraindray aza, dia 3 andro vao tonga ao an-trano amin’ny hamamoana, hoy ny fitantaraa. Tsy niandry ela, fa taorian’ny fanairana nandeha, dia tra-tehaky ny Polisy ao amin'ny CSP4 tetsy Manarintsoa Atsinana omaly alatsinainy 29 janoary ihany ilay lehilahy namono sy nahafaty ny zanaky ity zanaky ny vadiny ity. Tao aorian'ny fitarainana teto amin'ny tambajotra Facebook mahakasika trangana herisetra mianjady amin'io ankizivavy vao 2 taona monja dia nidina avy hatrany teny Manarintsoa ny Polisy. Fantatra fa niharan'ny vono sy daroka izay ataon'ny raikeliny ity farany ka izao niafara tamin'ny fahafatesany izao, hoy ny tatitra vonjimaikan’ny polisy. Nosamborina avy hatrany ilay raim-pianakaviana ary nentina namonjy ny Kaomisaria . Efa eo am-pelatanan'ny sampan-draharaha miady amin'ny heloka bevava kosa ny raharaha. Hanatra ho an’ny rehetra ny tranga tahaka izao izay mety ho zavatra azo nosorohana, kanefa dia ny zaza tsy manan-tsiny no manefa hatramin’ny ainy vokatry ny fitondran-tenan’ny reny adala sy raikely tsivalahara.
Nangonin’i Toky R

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap