airtel

Fandriampahalemana

14-janv-2026

67 HA

Mpanendaka sy mpangarom-paosy 4 voasambotra

Sample post image

Mpanendaka sy mpangarom-paosy

14-janv-2026

ary mpanao sinto-mahery miisa 4 no indray nosamborin'ny Polisim-pirenena teny amin'ny 67 ha. Naharay fitarainana Ireto farany raha tsiahivina fa nisy olona voaendaka ny Alarobia 07 Janoary sy ny Alahady 11 Janoary teo teny amin’ny lalan’i Vatobe 67ha sy Antohomadinika. Nanao fisafoana teny amin'ireo toerana ireo ny Polisy miasa ao amin'ny CSP7 67HA sy Paositry ny Polisy Antaniavo ka voasambotra tamin'izany ny lehilahy miisa 04, izay tratra ambodiomby avokoa. Nentina teny amin’ny biraon’ny Polisy ireto olon-dratsy ireto nanaovana andri-maso sy hanokafana fanadihadiana ary atolotra ny fampanoavana rehefa vita ny famotorana.
Nangonin'i Pati
Légende : Izy efa-dahy mpampahory olona eny amin'ny faritry 67 ha eny !
 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Nihena iray ny jiolahy mpanao ratsy

Card image cap