Ny 26 Janoary hariva teo taorian’ny fahazoam-baovao momba ny fisian’omby roa mampiahiahy notazonina vehivavy iray tao Ampefiloha Ankeniheny Ambohimanarina dia nidina ifotony ny Polisim-pirenena niaraka tamin’ny tompon'andraikitry ny Fokontany nanao fanamarinana.Nandritra ny fizahana dia hita tao anatin’ny tokontanin’ity vehivavy ity tokoa ny omby roa, ka ny iray efa novonoina ary ny iray mbola velona sady voafatotra. Tsy nisy taratasy ara-dalàna afaka nanamarina ny niavian’ireo omby rehefa natao ny famotorana. Nentina teny amin’ny Kaomisaria ilay olona voarohirohy hanokafana fanadihadiana ary nogiazana ny hena sisa tavela, ilay omby kosa dia efa naverina tamin’ny tompony rehefa nohamarinana ny taratasy rehetra mifandraika amin’izany.
Pati
Légende : Ity ilay vehivavy !