airtel

Fandriampahalemana

22-sept-2025

ANKATSO II ANTANANARIVO

Tovolahy matin’ny tsatok’antsy in-telo teo amin'ny fony

Sample post image

Zava-doza no nitranga teny Ankatso II Antananarivo renivohitra

22-sept-2025

omaly Alahady 21 Septambra. Tovolahy vao herotrerony voalaza ho namonjy ny lanonana fandraisana mpikambana vaovao ao anatin'ny fikambanan'ny mpianatra misy azy avy any Mandritsara no maty nisy namono tampoka. Nandritra ny lanonana natao tao amin`ny Fast food Ankatso II Antananarivo no nitrangan'izany, hoy ny vaovao. Tsindron'antsy in-telo teo amin`ny fony no nambaran'ireo mpikambana ao anatin'ny fikambanana fa nahafaty ity tovolahy ity. Tsy nisy nahalala io tranga io ireo nanatrika ny lanonana. Ilay tovolahy efa nitsirara tamin'ny tany no nahataitra ny rehetra tao anaty efitrano filanonana ka nikoropaka nitondra azy tany amin'ny hopitaly tokony ho tamin`ny 3 ora maraina. Omaly tamin'ny 5 ora maraina izy no namoy ny ainy. Resaka lonilony no voalaza ho antony nahatonga ny famonoana ary efa misy ny ahiahiana. Nitolo-tena ny nahavanon-doza raha ny vaovao vonjimaika omaly hariva.
Nangonin'i Pati
Légende : Namoy ny ainy ity tovolahy ity !
 

Dans la même rubrique

07-sept-2026

Ny faran’ny volana aogositra no

Card image cap
03-sept-2026

Mitotaly 16 tapitrisa Ariary no lasan’ireo olon-dratsy

Card image cap
03-sept-2026

Lasa ny 20 tapitrisa Ar sady naratra

Card image cap