airtel

Fandriampahalemana

03-juil-2026

ANKIAKANDREFANA MAROANTSETRA

Vehivavy iray hita faty niantona

Sample post image

Vehivavy iray no hita faty niantona tao

03-juil-2026

Ankiakandrefana, distrikan'i Maroantsetra omaly Alakamisy 02 Jolay folakandro. Nifatotra tady ny tendany raha nihantona tamin'ny rantsa-kazo avy eny ambony kosa ilay tady, tombanana ho efa voahomana. Tsy mbola fantatra mazava na namono tena ity vehivavy na sanatria nisy namono. Na izany aza efa mandeha ny fanadihadiana hataon'ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana. Tsiahivina moa fa nirongatra sy nahazo vahana ny vono olona sy ny famonoantena tato ho ató teto amintsika. Raha araka ny fanazavan'ny psikology dia vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana sy ny fitaizana no mahatonga izany. Diso maka tahaka loatra ihany koa ny olona noho ny firoboroboan'ny teknolojia ka tsy mampaninona azy ireny intsony ny mamono olona tahaka ny akoho. Manodidina ny 5 moa hatreto ireo olona hita faty nisy namono raha kely teto an-drenivohitra sy ny manodidina tao anatin'ny herinandro mahery.
Nangonin'i Pati
Légende : Ilay Renim-pianakaviana hita faty !
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Mitotaly 16 tapitrisa Ariary no lasan’ireo olon-dratsy

Card image cap
03-sept-2026

Lasa ny 20 tapitrisa Ar sady naratra

Card image cap
02-sept-2026

Vita fitsirihana sy azon’ny fianankaviana nalaina ny razana

Card image cap
02-sept-2026

fiara nitondra rongony ! »

Card image cap
02-sept-2026

nalaina an-keriny, hita faty

Card image cap