Noterena apetraka ho ben’ny tanàna tao Antanambao Tsirandrany fotsiny ny kandidà iray efa malaza ho olon-dratsy tao an-toerana, hoy ny fampitàm-baovaon’ireo mponina any an-toerana, izay tonga nanazava ny toe-draharaha teto Antananarivo omaly mikasika ny raharaha Tanambao Tsirandrany, distrikan’i Bekily. Tsy neken’ny fokonolona izany, hoy ny fanazavàna, ary tsy nekena koa ny fanaovana trano ho azy. Narodan’ny fokonolona ny trano. Volana septambra 2020 teo no nitrangàn’izany. Tany voamarina fa tanim-panjakàna fa tsy tokony ho an’olon-tokana no nobodoiny ho azy. Tonga ny fifidianana dia milatsaka amin’ity anarana antoko heverina ho matanjaka ity hatrany ilay efa malaza ho olon-dratsy. Izahay moa tsy te ahalala izany antoko izany na antoko inona io na antoko inona. Mifindrafindra antoko foana io olona io nefa ny anay dia izay neken’ny mpitan-kazomanga ihany no hiantefàn’ny safidinay. Rehefa lany ben’ny tanàna taorian’ny famoronany fokontany miisa 4 ity kandida ity dia nilanja sorabaventy tsy manaiky azy ho ben’ny tanàna ny vahoakan’i Tsirandrany. Teo noho eo ireo dia nitifitra ny zanakay antsoina hoe Tsamahia. Maty tsy tra-dràno io. Nanavotra ny zanany nitondra basy ity midongy ho ben’ny tanàna ity satria matin’ny fitsaràm-bahoaka io nahavanon-doza io. Io avy eo no nitorian-drizareo raiamandrenibe ao an-tanàna efa 99 taona nolazainy fa lehiben’ny dahalo. Raiamandreny efa tsy afaka mandeha no nolazainy fa lehiben’ny dahalo. Tonga teto ny komanda nandamina ny raharaha ary nilaza hoe aza miady intsony ianareo fa samy maty iray na ny andaniny na ny ankilany. Tsy afa-po izy. Tonga ny mpanao famotorana avy ao Ambovombe sy Bekily niaraka tamin’ny Kolonely avy amin’ny sampan-draharaha ao Ambovombe. Nanao fandaminana niaraka tamin’ireo raiamandrenibe ireo. Tsy nanaiky fandaminana ireo fa nilaza hoe fatina biby ny fatin’ny zanakay. Rehefa tsy nanaiky fifandaminana ireo dia nasain’ny OMC nanao taratasy ny andaniny sy ankilany hifanaiky fa tsy hifanadika intsony. Natao io taratasy io ny taona 2024 ary napetraka tamin’ny OMC, zandarimaria, sefo distrika. Nipetraka izahay saingy tonga ry zareo namono ny ampanjaka antsoina hoe Zakatoa ny 29 aogositra 2025, andro amin’ny 11 alina. Notifiriny avy tao an-damosiny ny Ampanjaka ary nivoaka teo aloha ny bala. Rehefa taitra ny fokonolona dia nijery ny zava-misy. Niantso mpitandro filaminana avy eo ny maraina. Talata izahay mandevona no mivory ao amin’ny kaominina misy an-drizareo ny andian-dahalo. Izahay mandevina, ireo mandoro tanàna ny 2 septambra 2025. 247 no isan’ny fonenana may. Nandositra ny fokonolona rehetra. Hatramin’izao mitohy ny herisetra. Izay tanàna tsy may dia voaroba. Nanome fanampiana ny BNGRC rehefa tonga tany. Ireo nandoro ny tanàna indray no milaza fa may ny tanàna. Ireo nefa no nanafika sy nandoro. Ireo no namono ny ampanjaka. Manao antsoavo amin’ny fitondràm-panjakàna sy ny minisitry ny fitsaràna mba handray fepetra manoloana ny zava-misy, noho izany. Tsy may tamin’izao fa nisy nanafika ireo trano may, hoy hatrany ireto mponina nitaraina ireto.
Nangonin’i J. Mirija
Lehilahy iray 75 taona no voasambotry