airtel

Fandriampahalemana

23-janv-2026

DISTRIKAN'I FANDRIANA

Dahalo iray matin’ny fokonolona

Sample post image

Dahalo iray no namoy ny ainy tao

23-janv-2026

Andrefan'i Matindrano, rehefa avy nifanandrina tamin'ny fokonolona omaly Alakamisy 22 Janoary. Ny alin'ny Talata hifoha Alarobia raha tsiahivina no namoaka omby miisa efatra, tao Ambohijanaka Fokontany Zanakandrianjaka ilay dahalo. Nanao fanarahan-dia ny fokonolona ary tratra ambodiomby mbola nandroaka ny omby ity dahalo tratra ity. Efa tany Alarobia Ambatosaonjo no nahatratrarana azy. Nifanehatra tamin'ny vatan-dehilahy tany izy ka voasambotra ihany. Efa voakapan'ny famaky ny handriny saingy tsy nahafaty azy izany. Nentin'ny fokonolona tao amin'ny Kaominina Tsarazaza Distrikan'i Fandriana izy izao niezaka nanohitra sy nitsoaka izao. Nifanenjehana eran'ny aty hazo sy teny an-tanimbary ny anaolahy saingy lavon'ny fokonolona rehefa nikasa hamono mihitsy. Efa misy namany avy any Avaratra voasambotry ny fokonolona ihany koa araka ny vaovao farany ary efa eo am-pelatanan'ny mpitandro filaminana ny momba izany amin'izao fotoana izao.Mbola ao Andrefan'i Matindrano, eo an-tsisin'ny tanimbary ny fatiny hatramin'ny omaly hariva fotoana nanoratanay, miandry ny fanapahan-kevitry ny mpitandro filaminana. Nangonin'i Pati
Légende : Namoy ny ainy tahaka izao ilay dahalo !
 

Dans la même rubrique

10-sept-2026

tontolo izao i Madagasikara

Card image cap
10-sept-2026

Nahazo fiara 4x4 tsy mataho-dalana

Card image cap