airtel

Fandriampahalemana

13-juil-2026

Fahafatesana vehivavy

28 taona tao Maintirano Tsy nahatohitra ny polisy,

Sample post image

nodorana velona ilay voarohirohy

13-juil-2026

Vehivavy iray antsoina hoe Floria tokony hankalaza ny tsingerin-taonany ny alahady teo no hita faty ny andron'ny zoma 10 jolay 2026 tany Maintirano. Tsy hita nandritra ny iray andro tontolo, ka ny fatiny sisa hita faty tao amin'ny toerana antsoina hoe Belobaka, ao Maintirano. Araka ny tatitra, ny atoandron'ny alakamisy 09 Jolay 2026 izy no tsy hita. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ny fianakaviany, ka natomboka ny fikarohana. Ny zoma 10 Jolay 2026 no nahitana ny razana tao Belobaka, ka voalaza fa nanjavona ny vola tokony ho 6 tapitrisa Ar tany aminy. 28 taona katroka ny sabotsy 11 Jolay 2026 izy, indrisy anefa, tsy afaka nankalaza izany akory izy. Efa teo am-pelatanany mpitandro ny filaminana ny olona ahihina ho tompon'antoka tamin'ity famonoana feno habibiana ity. Nirongatra nankany amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana ireo ny fianakavina mitaky hanaovana fitsaram-bahoka. Nitokona tsy hiala teo amin'ny Biraon'ny Polisim-pirenena ny Fianakavian'ny maty sy ny Vahoaka maro, nilaza tsy hiala raha tsy mivoaka ary hataon'izy ireo fitsaram-bahoaka ilay olona ahiahiana nahavanon-doza. Tsy nanaiky ireo vahoaka, fa nandrasam-paty teo amin’ny Biraon’ny polisy ilay razana ny alin’ny sabotsy, ary nihamafy ny savorovoro ny alahady, na nandeha ny fandaminana sy fifampiresahana solontenam-panjakana ahitana ny OMC (Organe Mixte de Conception) sy ny rafitra isan-tokony. Niezaka nanazava ny tomponandraikitra fa avela hanohy ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana mba hivoahan'ny marina sy hanarahana ny dingana ara-pitsarana araka ny lalàna, saingy maso solon’ny maso, nify solon’ny nify, hoy ny andaniny. Mbola voafehy anefa izany ny sabotsy teo. Omaly alahady, nalain’ireo vahoaka an-keriny ilay lehilahy, ary nodoran’izy ireo velona tsy nisy hantra. Rehefa vita izay, dia nentin’ny fianankaviany nody amin’izay ny vatana mangatsiakan’i Floria, taorian’ny fahavitan’izy ireo ny valifatiny.
MANAHIRANA…
Mampiady hevitra ny tranga tahaka itony, izay maneho fa tsy voafehy rehefa mitroatra ny vahoaka, mety ho resy hatramin’ny fahefam-panjakana raha tarafina amin’ity tranga iray ity, izay tsy vao sambany ihany koa anefa, fa efa maromaro ny toy izao hoe : tena tafihin’ny olona hatramin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana itazonana ireo olon-dratsy izay tsy hoe miaro azo azy ireny sanatrian’ny vava, fa mbola anatin’ny antsoina hoe : « présomption d’innocence » na mbola tsy meloka foana raha tsy misy didim-pitsarana raikitra. Sarotra anefa ny mifehy ny toe-draharaha rehefa tena mafana ra tahaka ireny ny olona. Tsiahivina fa ny andininy faha-295 amin’ny fehezan-dalàna famaizana dia mamaritra fa na iza na iza mamono olona iniana atao dia meloka sy hatrany. Ny andininy faha-312 sy 313 : Mamaritra ny sazy ho an’ny daroka sy ratra natao tamina olon, ka raha atao amin’ny endrika fitsaram-bahoaka dia azo ampiharina mivantana amin’ireo mpanetsi-bahoaka. Ny andininy faha-11 sy 12 kosa no mamaritra fa ny fanasaziana sy ny famonoana dia andraikitry ny fitsarana ihany, ary ny fanjakana no tompon’andraikitra amin’ny fampiharana ny sazy. Manahirana na izany aza ny zava-misy !
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

21 mianadahy no fantatra fa nalefa

Card image cap
21-juil-2026

tanana amin'ny fanjakana ny RALI

Card image cap