airtel

Fandriampahalemana

13-juil-2026

Hala-jaza, herisetra. vono olona,

Korontanina mihitsy ve ilay fiarahamonina ?

Sample post image

Mihazakazaka ny fandehan'ny toe-draharaha

13-juil-2026

tato anatin'ny roa tokom-bolana teo izay : ankizy tsy hita, niitatra tanora sy olon-dehibe very. Nivadika ho famonoan'olona feno jabibiana tsotra izao, misy hatramon'ny fanapahan-doha. Isan'andro dia miparitaka ny feo sy vaovao fa hoe misy zaza very, na tsy niverina nody intsony rehefa nirahina nividy zavatra.
DRÔNE MAMPIAHIAHY
Tranga nisy tamina faritra maromaro teto amin'ny nosy izany. Tetsy ankilan'izay narahana "drône" mampiahiahy ny fiaran'ny filohan'ny fanavaozana teny Ankorondrano raha iny izy hamonjy fodiana hariva iny. Efa fanindroany io satria nisy fotoana efa nisy andiana drône nihaodihaody manodidina ny trano fonenany. Mandeha ny fanadihadiana saingy tsy mbola nisy fampitam-baovao ofisialy mazava tsara hoe fa inona ary iza no mety ahiahiana momba ireo "drône" mampiahiahy ireo. Niantso fiarahamiasa ny mpitandro filaminana sy ny Filoha satria heverina fa olona any anaty fiarahamonina ihany no manao an'io.
FISAVANA TSY LERA
Nitranga ihany koa ny fisavanantranon'olina tsy misy taratasy ara-dalàna, misy milaza ho olom-pirenena mandray andraikitra no nanao izany. Nahoaraka ihany koa avy eo hoe misy milaza fa mpanolotsaina tekinikan'ny PRRM; rehefa nohamarinin'ny avy ao amin'ny fiadidiana ny fanavaozana dia hoe tsy misy an'izany ary manamafy ry zareo fa tsy naniraka na iza na iza hisava tranon'olona izany.Nametraka fitoriana moa ilay Sinoa voasava trano teny Ambohibao ary vola be sy entana sarobidy misimisy ihany no lasa tao.
MISAVOROVORO
Omaly alahady moa tany Maintirano, faritra Melaky dia tsy nanaiky ny vahoaka maro be raha tsy navoaka ny biraon'ny polisy ilay lehilahy noahiahiana ho namono nahafaty an'ilay vehivavy mpitazona Cash Point. Maty nodorana velona io lehilahy io, tsy nahatohitra ny vahoaka ny polisin'i Maintirano, tsy vita hatramin'ny farany ny fanadihadiana, tsy nisy fitsarana araka ny tondroin'ny lalàna fa dia nihatra ny maso solon'ny maso, aina solon'ny aina. Toa manambara izany rehetra izany fa miaina anaty savorovoro ny fiarahamonina, vao tsy ela akory anefa izay no niresaka hoe fifankatiavana, fihavanana , fikaonandoha, fifanakalozan-kevitra tamin'ireny nankalazana ny fetim-pirenena ireny. Mipetraka ny fanontaniana : inona no tena ao ambadik'izao toe-draharaha misafotofoto izao ? Mipoitra tampoka ny hoe hala-jaza, olona very, fanapahan-doha..tahaka ny hoe atao mihitsy izay hampikorontan-tsaina ilay vahoaka ka amin'ny 6 ora hariva dia efa samy mihidy aman-trano.Tsy avela mivoaboaka ny ankizy fa hoe sao misy mibata, lasa miova ilay fomba fiaina. Misy ireo mihevitra fa tsy tongatonga ho azy izao fa misy tanjona mazava ary efa nilaza izany moa ny filohan'ny Fanavaozana hoe misy te hampiseho amin'ny any ivelany eto hoe : io fa mikorontana. Ka ahoana izany no atao ? Mby aiza izao ilay fakan-kevitra amin'ny fikaonandoham-pirenena ? Efa mandeha ihany ve ? Iza no mahita tombotsoa amin'ny korontana sy savorovoro; fa ny tena andrasan'ny vahoaka dia ny hoe : ahoana ny hifehezan'ny fitondram-panjakana ny toe-draharaha.
RTT
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

21 mianadahy no fantatra fa nalefa

Card image cap
21-juil-2026

tanana amin'ny fanjakana ny RALI

Card image cap