eo anivon'ny Jirama ao Miarinarivo Itasy no nidoboka am-ponja vonjimaika, voarohirohy amina halatra taribian'ny orinasa. Fahitana tarobia mihorongorona tao anaty fiara Renault Express nosakanan'ny zandary manao Barazy eo Tsaramandroso - Soamahamanina amin'ny lalampanorenana voalohany ny alin'ny Zoma 03 hifoha 04 Aprily 2026 no nahamailo ny zandary satria ny orinasa Jirama ihany no manana ny karazana tarobia toy izao. Rehefa nosavaina rahateo ny taratasy nitondrana ny entana dia mampiahiahy satria miendrika hosoka. Nogiazana ny fiara sy ny entana - notazomina hatao famotorana ny mpamily sy ny namany izay nilaza fa iraka fotsiny ary efa misy mpandray sy mpividy ny entana any Antananarivo. Fantatra fa mpiasa roa mitazona andraikitra eo anivon'ny orinasa ao Miarinarivo Itasy no nanome "Bon de livraison" hosoka hamoahana ireo entana ireo ao amin'ny toeram-piasana sy hitondrana azy hiakatra aty Antananarivo. Natolotra ny Fitsarana ny raharaha ka notanana am-ponja vonjimaika miandry fotoam-pitsarana ireo mpiasa roalahy.
Nangonin'i Jean D.
Miandry fitsarana any am-ponja ireto mpiasan'ny Jirama Miarinarivo roalahy ireto
Taorian'ny fampitam-baovao nataon'ny