airtel

Fandriampahalemana

22-juil-2025

HALATRA VOLA 6 TAPITRISA AR

Zazavavy kely 13 taona no atidoha

Sample post image

Tena tsy misy tandroka tokoa ny ratsy no sady tsy mifidy taona.

22-juil-2025

Zazavavy kely iray vao 13 taona monja no fantatra fa ati-doha tamin’ny fangalarana ilay lela-vola 6 tapitrisa Ar tany Miarinarivo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nisy olona iray tonga nitaraina tao amin’ny Kaomisarian’ny Polisy tao Miarinarivo ny 14 Jolay teo fa nisy zazavavy kely 13 taona, izay taizany, tsy hita niaraka tamin’ny vola 6 tapitrisa Ariary tao an-tranony. Ny 17 Jolay lasa teo dia hita tao Imerintsiatosika ilay zazavavy kely ka nosamborin’ny Polisy. Nandritra ny famotorana dia nanambara izy fa nisy lehilahy roa hafa mpiray tsikombakomba taminy nanao ny halatra. Voasambotra ny andron’io ihany koa ireo lehilahy ireo teny Anosibe Antananarivo. Nahitana finday miisa 5 teny amin’izy ireo izay nolazainy fa novidiana tamin’ilay vola avg nangalariny. Taorian’ny fanadihadiana savaranonandro dia natolotra ny Fampanoavana ny zoma teo izy telo tonta ary samy naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Vola 6 tapitrisa Ar no namotehan’izy 3 mianadahy ireto ny fiainany !
 

Dans la même rubrique

07-sept-2026

Ny faran’ny volana aogositra no

Card image cap
03-sept-2026

Mitotaly 16 tapitrisa Ariary no lasan’ireo olon-dratsy

Card image cap
03-sept-2026

Lasa ny 20 tapitrisa Ar sady naratra

Card image cap