Nivoaka tamin’ny fahanginany mikasika ny fanambarana tato ho ato mahakasika manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra eo anivon’ny tafika ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika Malagasy Jeneraly Pikulas Démosthène. Tafiditra tao anatin’io mazava ho azy ny Mikasika ny Kolonely Rakotomamonjy Patrick izay nanao fanambarana politika maromaro taorian’ny fanesorana azy tsy ho Talen’ny birao fandraisana fitarainana teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika. Tahaka izany ihany koa ny manamboninahitra lefitra na ny COSOFAM. « Manahirana ny milaza azy, tsotra ny antony, am-perin’asa izy, nahazo andraikitra tamin’ny sehatra sivily, Raha ny tokony ho izy dia efa niala an-daharana tao amin’ny tafika, ka miandry ny fiverenany izahay. », hoy ny Jeneraly Pikulas Démosthène mikasika ny afera Jeneraly Rakotomamonjy Patrick. Andaniny, nanaraka ny ambaratongam-pahefana nisy teo anivon’ny foloalindahy ny fanambaran’ny COSOFAM, nahazo alalana izy ireo niteny an’izany satria nisy fotoana voatonontonona ny manamboninahitra lefitra, nahatsiaro voakasika sy voakitikitika ka nangataka alalana hiresaka, hoy ny fanazavan’io Lehiben’ny Etamazaoro io. Tsiahivina fa ny 11 martsa teo, dia nisy trakta niely teny Ivandry manodidina ny toeram-ponenan’ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael, nandrahona mpitondra Fanjakana ambony, nanao hoe : “Antso Avo ho an’ny Hery Rehetra”, izay manambara fanoherana sy fandrahonana mivantana ny fitondrana ankehitriny. Ao anatin’ilay lahatsoratra, voasoratra amin’ny teny Malagasy, dia voalaza fa “latsaka an-katerena ny firenena”. Misy fiampangana ny Fanjakana sy ny Filoha ho nanararaotra fahefana sy nanao kolikoly tao anatin’ny 5 volana ka manala baraka ny tafika, niantso ny tafika sy ny zandary hijoro hanohitra ny fitondrana. Omaly, dia niely ihany koa ny resaka fa manamboninahitra jeneraly misotro ronono iray sy miaramila maromaro no nosamborina omaly, ary nisy filazana fa mihiboka na « consigné » ny toby, saingy tsy mbola voamarina ofisialy io. Mifandraika amin’ny fanambaran’ny lehiben’ny etamazaoro kosa, dia somary efa karazan’ny mamaly an’ireny ahiahina fikononkonona ireny ny nilazany hoe : « Mikasika ny fisiana fikononkonona na tsia, dia nisy foana izany resaka izany na tamin’ny firenena nilamina, fa hatreto ny tafika Malagasy dia miezaka mandray ny andraikitra tandrify azy. Miezaka mifehy ny miaramila sy ny tompon’andraikitra samihafa eo anivon ‘ny tafika ». « Ny hilaza hoe misy an’izany eo amin’ny tafika Malagasy raha tsy hanana porofo manahirana, ary raha misy izany dia misy ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Izay mivoaka an-daharana dia misy ny sazy tandrify azy na eo amin’ny Fanjakana na ao anatin’ny tafika », hoy ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika Malagasy Jeneraly Pikulas Démosthène.
Toky R
Taorian'ny fampitam-baovao nataon'ny