airtel

Fandriampahalemana

03-juil-2026

LEHILAHY HITA

FATY TENY AMBOANJOBE

Sample post image

Tsy hita teo intsony ny filahiany

03-juil-2026

Lehilahy iray, tombanana ho 40 taona eo ho eo no fantatra fa hita faty omaly Alakamisy 02 Jolay maraina teny Ambohibao Amboanjobe, lalam-pirenena fahafito teo akaikin'ny Place de l'Amitié. Araka ny vaovao azo dia handeha hivarotra akoho no nivoahan'Itompokolahy ny trano. Indrisy anefa fa ny vatana mangatsiakany sisa no hita.Tsy teny aminy intsony koa ny entana teny aminy, sy ny filahiany. Voalaza ihany koa fa nahitana ratra mafy tamin'ny vatany raha efa nahitana rà maina teny amin'ny toerana nahitana ny razana sy ny manodidina azy. Efa nanatanteraka fanadihadiana moa ny tompon'andraikitra raha efa tonga teny an-toerana ihany koa ny mpitandro filaminina. Ankoatra ny voamaso sy ny lela moa dia anisan'ny taova alain'ireo mpanao ratsy amin'ireo olona vonoiny ny filahiana toy ny nahazo ity lehilahy hita faty ity. Mbola fanontaniana mipetraka araka izany ny hoe : hataon'ireny olona ireny inona marina ireo karazana taova saro-pady amin'ny vatan'olombelona ireo ?
Nangonin'i Pati
Légende : Teto no toerana nahitana ny razana !
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

politika mamoafady...

Card image cap
16-juil-2026

Nentin-dRainy, tsy nifanarahana tamin-dReniny

Card image cap