airtel

Fandriampahalemana

10-juin-2025

Mahatsinjo Alasora

Fatin-dehilahy iray hita niantona

Sample post image

Nahitana fatin'olona nihantona tamin'ny tady teo ambony hazo ny Sabotsy 07 Jona

10-juin-2025

maraina teo teny amin'ny tobim-piantsonan'ny taksibe zotra 192 teny Mahatsinjo, Alasora. Olona nandalo tampoka no nahita an'Itompokolahy izay tombanana ho tratry ny famoizam-po ka namono tena. Misy koa anefa ireo mihevitra fa mety efa novonoina tany amin'ny toeran-kafa Itompokolahy vao mody nahantona tamin'ny tady. Miantso ny tokony hanaovana fanadihadiana lalina ity tranga ity araka izany ny Ben'ny tanana ao an-toerana mba hivoahan'ny tena marina. Mangataka ny hijerena akaiky ny fandriampahalemana ao an-toerana ihany koa ny mponina raha sanatria ka vono olona marina izao nitranga tao Mahatsinjo izao. Ny fanadihadiana hataon'ny mpitandron'ny filaminana ihany moa no tena hahafantarana ny marina izay efa tonga teny an-toerana nijery ny razana niaraka tamin'ireo mpitsabo eo anivon'ny CSB2 Alasora.
Pati
Légende : Tombanana ho nanana olana manokana na nisy namono Itompokolahy !
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

fa tsy nety nanala zaza

Card image cap
05-mars-2026

Nanao hetsika manokana ny zandarimaria

Card image cap
04-mars-2026

Olona miisa 3 no voasambotra

Card image cap