airtel

Fandriampahalemana

10-juil-2026

MANANJARY

Lehilahy hita faty teny

Sample post image

an-tanimbary, tsy nisy pataloha

10-juil-2026

Lehilahy iray manodidina ny 40 taona no hita faty teny an-tanim-bary akaikin'ny Kaominina Tsaravary, distrikan'i Mananjary afak'omaly Talata 07 Jolay. Tombanana ho vahiny Itompokolahy. Raha araka ny fantatra mantsy dia tsy misy mahalala azy ny olona tao an-tanana ary tamin'io andro io ihany koa izy no nisy nahita nandalo teny an-toerana. Tsy mbola hita mazava tsara koa na niharan-doza na nisy namono ilay Itompokolahy. Na izany aza efa tonga nijery ny razana ny tompon'andraikitra sy ny mpitandro ny filaminana ka ny fanadihadiana hataon'izy ireo no hamoaka ny tena marina. Ny fokonolona sy ny Association Mifangomba , tarihin'ny Solombavambahoaka Manager Haja moa no mandray an-tanana ny fikarakarana ny razana hatramin'ny omaly hariva fotoana nanoratanay mandra-pahitana ireo fianakaviany. Tsiahivina moa fa tsy nanao pataloha intsony ny tapany ambanin'Itompokolahy nandritra ny fotoana nahitana ny vatana mangatsiakany.
Nangonin'i Pati
Légende : Nandritra ny fotoana nahitana ny razana !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2026

afaka manao tik tok

Card image cap
22-oct-2026

Voasambotra tany Ilakaka i Kelindaty

Card image cap
22-oct-2026

Natsipin’ny jiolahy teny amin’ny arabe,

Card image cap
22-oct-2026

Telolahy nidoboka am-ponja ao Tolagnaro

Card image cap
21-oct-2026

100 taonina isan-taona,

Card image cap
21-oct-2026

Tratra ihany rehefa avy

Card image cap