airtel

Fandriampahalemana

04-mai-2026

MENDRIKOLOVANA

ALASORA

Sample post image

Mirongatra ny hala-botry, mandry andriran'antsy ny mponina

04-mai-2026

Mirongatra ny hala-botry ao amin'ny Fokontany Mendrikolovana, kaominîna ambanivohitr'Alasora, distrikan'Avaradrano. Raha araka ny vaovao azo dia ripaka tanteraka ny akoho amam-borona sy ny bitro. In-droa niverenan'ireo mpanao hala-botry ny tokantrano iray raha araka ny fitarainan'ny Raim-pianakaviana iray. Foana tanteraka ny biby fiompinay hoy izy ary ny tena mampanahy dia mety ho tohin'ny raharaha raha tsy voafehy. Mety hiitatra mantsy hoy hatrany izy ny asa ratsin'ireo mpangalatra ka na ny vady aman-janaka aza mampanahy mafy ny ainy rehefa amin'ny fotoana tsy maintsy hivoahana hikaramana any amin'ny Faritra ka tsy hahafahana mody any an-tokantrano. Hetahetan'ireo mponina ao Mendrikolovana noho izany ny nandraisan'ny mpitandro ny filaminana ny andraikiny. Nomarihin'izy moa fa na dia efa rakotra jiro aza ao amin'ity Fokontany ity dia tsy matahotra mihitsy ireo mpangalatra fa manao ny hataony hatrany.
Pati
Légende : Ripaky ny mpanao hala-botry ny akoho amam-borona !
 

Dans la même rubrique

07-mai-2026

tompon'ny Hotel Jardin de la mer

Card image cap
06-mai-2026

maty notifirin’ny zandary, mitroatra ny vahoaka…

Card image cap
06-mai-2026

faty nisy namono tao an-tokantranony

Card image cap
06-mai-2026

Voasambotry ny Polisy teny Ampasampito

Card image cap