airtel

Fandriampahalemana

11-mars-2025

MPAMAKY FASANA VARIANA NISAKAFO

Noraisim-potsiny izy 09 mianadahy

Sample post image

Mpamaky fasana 09 mianadahy no fantatra fa saron’ny mpitandro ny filaminana tao an-tampon’Ambohimanoho,

11-mars-2025

Kaominina Mahitsy, Distrikan’i Ambohidratrimo ny alin'ny alakamisy 06 Martsa lasa teo. Niantso zandary avy hatrany ny fokonolona ary niambina ireo 09 mianadahy efa nandroba ny fasana. Ny iray tamin'izy ireo mantsy tafatsoaka. Voalaza moa fa niato kely nisakafo izy ireo no izao tratra izao. Tonga nijery ny tranga ny Zandary ary voamarina fa efa voasokatr'izy ireo tokoa ny fasana. Notazomina avy hatrany izy 9 mianadahy ary karohina ny namany tafatsoaka. Nomena alalana namerina tamin'ny laoniny ny fasana kosa ny fokonolona. Mbola tsy nisy moa ny taolam-balo very hoy ny vaovao azo. Vaovao andrasana avy amin’izy ireo ny tena hilazany ny marina mikasika izay lehibeny tena mpaniraka azy sy ny antony ilana ireo taolam-paty hamakiana fasana amin’ny andro alina ka hanaovana vy very ny aina tahaka izao.
Pati
Legende : Ireto izy 9 mianadahy mpamaky fasana tratra tao Ambohidratrimo !
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

40 eo lasan’ny dahalo

Card image cap
29-avril-2026

nihampatra omaly maraina

Card image cap
29-avril-2026

Matin’ny zandary ao amin’ny zanatobim-paritra

Card image cap
28-avril-2026

Mangataka "postes budgétaires" sy

Card image cap
28-avril-2026

Mety hitana ny sain’ny maro ny

Card image cap