airtel

Fandriampahalemana

24-avril-2026

MPILOKA AN-DALAMBE ENY

ANALAKELY Nosamborin'ny

Sample post image

Polisim-pirenena izy enin-dahy

24-avril-2026

Olona maromaro no voasambotra teny Analakely sy ny manodidina noho ny tsy fanarahan-dalana sy ny sinto-mahery. Ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Kaomisaria CSP1 Analakely.no nanao hetsika nanomboka ny 22 Aprily lasa teo. Nanao fanamiana sivily ireo Polisy mitily ireo mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy eny Analakely sy manodidina ka lehilahy miisa 6 no voasambotra. Fantatra fa ny telo tamin’ireo voasambotra dia efa malaza ratsy amin’ny fanaovana sinto-mahery eny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina. Anisan’izany ny roa izay efa mpamerin-keloka. Etsy ankilany, olona telo hafa kosa no tratra niloka an-dalambe ka manakorontana ny manodidina amin’ny tabataba sy mampitangorona olona, fihetsika izay voararan’ny lalàna. Efa nisy fanentanana natao azy telolahy ireto sy ny namany hafa tany aloha ka izao mbola mamerina izao indray. Nentina natao famotorana eny anivon’ny Kaomisaria CSP1 Analakely ireo voasambotra, ary hatolotra ny Fampanoavana aorian’ny famaranana ny fanadihadiana. Manoloana izany dia mampatsiahy hatrany ny Polisimpirenena fa mitohy tsy an-kiato ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fandikan-dalàna, ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananana ary ny fitoniana.
Pati

Légende : Ireo olona voasambotra teny Analakely sy ny manodidina !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

ho mpandray ny fanasan'i Tompo

Card image cap
05-juin-2026

sady novonoin'ny sipany

Card image cap
04-juin-2026

Efa ho 80 ny tranga, 30 mahery maty tamin’ny fomba feno habibiana

Card image cap
04-juin-2026

Paikady hataon'ny sasany tsy hahamari-toerana ny fanjakana io

Card image cap