an-tsaha ny mponina sao hisy valifaty
Nisy andian-dahalo am-polony sady mirongo basy toy ny Kalachnikov nanafika tanàna tao amin'ny Kaominina Itony Distrikan'i Miandrivazo ny Alakamisy 12 novambra 2026 tokony ho tamin'ny 5ora maraina. Nanohitra azy ireo ny Fokonolona sy ny manampahefana tao an-toerana ka nisy ny fifandonana. Lavo nandritra izany ny dahalo iray, ary nanao tari-dositra ireo namany. Velon'ahiahy anefa ny mponina ao Itondy na teo aza izany sao hanao tampody fohy ka hamalifaty ireo dahalo. Matahotra izy ireo na ny ho any an-tsaha aza sao iharan'ny herisetra ataon'ny dahalo any. Mponina tantsaha anefa ny ao Itondy ary ny fambolena sy fiompiana no foto-pivelomana. Manao antso avo amin'ny fitondrana mahefa araka izany izy ireo mba hanome tanana azy ireo hamerenana ny fandriampahalemana any an-toerana hahafahan'ny mponina manatanteraka ampitoniana ny asa fivelomana.
Jean D.
Dahalo iray lavon'ny Fokonolona tao Itondy - Miandrivazo