airtel

Fandriampahalemana

13-nov-2026

ZAZAVAVY 14

TAONA NOMENA TOAKA

Sample post image

Niharan’ny fanararaotana

13-nov-2026

ara-nofo no sady nalaina sary niboridana
Nitrangana toe-javatra mamohehitra tany amin’ny distrikan’i Sambava. Zazavavy kely iray vao 14 taona monja no voalaza fa nampiboboana toaka ary niharan’ny fanararaotana ara-nofo avy eo. Nalaina sary niboridana ihany koa izy hoy ny vaovao ka naparitaka tamin’ireo mpiara-mianatra taminy izany sary izany. Voatrery nametraka fitoriana ny fianakavian’io tovovavy io vokatr’izany. Ny Alatsinainy lasa teo no nanateran’izy ireo ny taratasy fitoriana no sady nitondrany fanazavana teo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ny Zandarimariam-pirenena. Niakatra fampanoavana ny raharaha taorian’izany ka efa nidoboka am-ponja vonjimaika afak’omaly Alarobia 11 novambra ilay voampanga. Tsiahivina fa tena ilana fahamailoana ny fitaizana zazavavy kely amin’izao. Na amin’ny alalan’ny hafatra amin’ny finday sy ny hafatra miafina fotsiny aza mantsy dia efa ampy mety hahavitan’ireo mpanao ratsy zava-doza amin’izy ireny. Mampiasa vola sy zavatra maro rahateo ireto farany mba hanambatambazana sy hahazoana ilay zaza koa samia samy mailo.
Nangonin’i Pati
Legende : Efa lasibatr’ireo mpanao ratsy koa ny tovovavy kely eto Sambava !
 

Dans la même rubrique

13-nov-2026

Matahotra ho an'ny

Card image cap
13-nov-2026

Nandritry ny fidinana ifotony

Card image cap
12-nov-2026

Vola sandoka 600 000 000Ar

Card image cap
12-nov-2026

Renim-pianakaviana sy ny

Card image cap
12-nov-2026

Vehivavy iray hita faty tao an-trano

Card image cap
12-nov-2026

Maty voatsatok’antsy i Calvine,

Card image cap