nataon'ny polisy miasa ao amin'ny fiadidiana ny filaminam-bahoaka Analamanga misahana ny heloka ara-toekarena, sampana misahana ny zava-mahadomelina na «service régional de la police économique – division stupéfiants» teny Ankorondrano, ny 9 novambra 2026 no nahatrarana vehivavy iray, 31 taona, mpivarotra zava-mahadomelina mahery vaika, karazany "heroïne", raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Nahitàna fonosana miisa 88, izay efa vonona ho amidy teny aminy nandritra ny fisamborana. Notanana natao famotorana ilay vehivavy taorian’ny fahatrarana azy. Natolotra ny fampanoavana ny 11 novambra 2026 ary naiditra am-ponja eny Antanimora ity vehivavy ity. Mamporisika hatrany ireo olompirenena mba tsy hisalasala hitoroka fa ho tanana tsiambaratelo izany, hoy hatrany ny mpitandro filaminana.
Nangonin’i J. Mirija