airtel

Fandriampahalemana

17-juil-2025

Nampitandrina ny depioten’i Toliara II

« Tsy ekena ny famoahana ireo voarohirohy ho nanapa-doha olona »

Sample post image

Olona roa hatreto no efa voasambotra ary tazonina ao amin’ny

17-juil-2025

Borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Beheloka, distrikan’i Toliara II raha mbola hifampitadiavana kosa ny iray. Io no vokatry ny fanadihadiana natao taorian’ny nisian’ilay tranga fanapahan-doha izay namonoana olona tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny Fokontany beheloka, kaominina ambanivohitr’i Beheloka ny herinandro lasa teo. Raha ny fantatra dia mandeha ny feo fa misy olona mitady hamoaka an-tsokosoko izy 2 ireo koa mampitandrina ny solombavambahoaka Rojers Solomamy voafidy tao Toliara II fa ain’olona no nafoy tamin’izany. Miantso ny tompon'andraikitra ao amin’ny zandarmariam-pirenena sy ny Fitsarana koa ny tenany mba hijery akaiky ity raharaha ity. Voalaza fa olona marary saina nihetsika krizy moa ity nisy nanapa-doha ity.
Pati
Legende : Ny depiote Rojers Solomamy, voafidy tany amin’ny distrikan’i Toliara II !
 

Dans la même rubrique

22-sept-2026

Tonga hatrany an-davarangan’olona mangalatra lamba sy vilany

Card image cap
18-sept-2026

6 nidoboka am-ponja, iray tarika amin'ny 73kg...

Card image cap
18-sept-2026

Ravan'ny Polisim-pirenena, olona 9 voasambotra tany Tolagnaro

Card image cap
18-sept-2026

vadiny dia namono ten izy

Card image cap
18-sept-2026

Nampidirina am-ponja vonjimaika

Card image cap