amin'ny Fokontany Ambohitromby, Kaominina Ambohitromby ihany, distrikan'Ankazobe ny misasak'alin'ny 26 Jolay lasa teo.Tovolahy iray no fantatra fa nikitikitika ny anabavin'ny sasany nandritra ny alim-pandihizana famoran-jaza iray ka nahatezitra mafy ny tompon'anabavy. Tombanana ho mety nisy fihetsika tsy voahevitra koa nandritra izany, antony nanosika itsy farany hanindrona antsy ilay tovolahy. Notaritiny nody tany an-trano aloha ny anabaviny talohan'izany. Rehefa vitany izay dia notsatotsatohiny tamin'ilay antsy maranitra nentiny avy any an-trano ilay bandy nikitikitika ny anabaviny. Naratra mafy vokatr'izany ilay ranamana ka tsy maintsy nentina tao amin'ny CSB II tao an-toerana ihany. Na izany aza tsy voatsabo tao ny ratrany ka tsy maintsy nentina niakatra haingana etsy amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Dian'antsy miisa 6 no hita tamin'ny vatany ka ny 3 amin'ireo dia mahery vaika avokoa, hoy ny vaovao. Ahiana mafy ny ain'ilay tovolahy vokatr'izany. Nitsoaka nandositra moa ilay nahavanon-doza rehefa avy nandratra olona saingy voasambotry ny zandary avy ao Vohikanto ihany.
Pati
Légende : Naratra mafy tahaka izao ilay tovolahy voatsindron'antsy !
Tsy nisy velona izany izy 3 lahy, tsy bevohoka ilay vehivavy maty
Omaly 9 febroary 2026, tamin'ny 3 ora 30 minitra maraina,