airtel

Fandriampahalemana

04-août-2025

NISOLOKY HO MPIVIDY "BALLE FRIPERIE"

Vehivavy iray voasambotry ny Polisy tetsy Ambodin'Isotry

Sample post image

Vehivavy iray no nilaza fa hividy "balle friperie" tamina mpamongady iray

04-août-2025

tetsy Ambodin'Isotry afak'omaly Sabotsy 02 Aogositra. Nilaza ilay Ramatoa fa handoa izany amin’ny Mobile Money, ka nisy mpiasan’ilay mpamongady nanaraka azy haka ny vola. Rehefa teny an-dalana anefa dia noreberebeny ilay mpanara-dia azy ka nanararaotra nitsoaka nitondra ny entana ilay vehivavy. Nampandre ny Polisy ny tompon’entana ka nirosoana avy hatrany ny fikarohana ity vehivavy mpisoloky ity. Voasambotra teny amin’ny manodidina ihany izy ary tsy hita teny aminy intsony ilay entana fa efa namidiny. Nentina avy hatrany teny amin’ny Kaomisarian’ny Boriborintany faha 04 Isotry ilay vehivavy mba hanaovana fanadihadiana. Tsiahivina moa fa ankoatra ireo olona efa tena zatra miaina anaty fisolokiana dia anisan'ny antony mampirongatra ny tranga mampalahelo tahaka izao ny fihanaky ny fahantrana eto amintsika.
Pati
Légende : Ity ilay vehivavy mpisoloky !
 

Dans la même rubrique

18-sept-2026

6 nidoboka am-ponja, iray tarika amin'ny 73kg...

Card image cap
18-sept-2026

Ravan'ny Polisim-pirenena, olona 9 voasambotra tany Tolagnaro

Card image cap
18-sept-2026

vadiny dia namono ten izy

Card image cap
18-sept-2026

Nampidirina am-ponja vonjimaika

Card image cap
17-sept-2026

vinantony teo amin’ny lohany

Card image cap