Nivoaka tamin’ny fahanginany ka nitondra hafatra sy ny fijeriny manoloana ny zava-miseho eto amin’ny Firenena indrindra eo anatrehan’ny tranga fanjavonana zaza sy vono olona etsy sy eroa ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara na ny FEM, tamin’ny alalan’ny Monsenera Jean Pascal ANDRIANTSOAVINA Filoha lefitry ny FEM, omaly 13 jolay 2026. Naneho manoloana ny zava-misy, fa raha tohina ny aty marary ny afero, ka tsy afaka tsy hitsesetra fotsiny ireo Raiamandreny manoloana ny zava-misy mampalahelo sy ny trangana herisetra sy vono olona etsy sy eroa, tsy mbola fantatra na amin’iza na amin’iza. Mankahery sy miombom-po amin’ireo namoy havana, zanaka,… noho ny habibiana tsy roa aman-tany. « Valalanina ny olom-pirenena maro, indrindra fa ireo marefo, tsy mba manana olon-kianteherana ! Mampanontany tena ny zavatra iainantsika hoe : iza no mahita tombotsoa amin’izao zotra iarahantsika Malagasy miaina izao », hoy ny Monsenera Jean Pascal ANDRIANTSOAVINA. Nahitsy ny fanambarany nametra-panontaniana hoe : hifamono am-pitoerana eto ve ? Tsy misy feon’ny fieritreretana intsony mihitsy ve ? Aiza ilay fahendrena Malagasy amin’ny fanajana ny aina sy mandalany fihavanana no tsy misy tahotra an’Andriamanitra Andriananahary mpamorona ny aina intsony. Dia ho sanatria ve ny ratsy no hanjaka amin’ny fiainam-piarahamonina ankehitriny izay nalaza eran-tany fa ny tain’omby mivadika aza tsy misy maka ? Nisy noho izany ny hafatra miantefa amin’ny olom-pirenena mba tsy hanaiky horaviravizina handatsaka aina satria sarobidy ny aina araka ny soatoavina Malagasy, ary ara-pinoana dia voafaritry ny baiboly mazava ny hoe : aza mamono olona. Niantso ny rehetra mba ho samy mpandala ny aina. « Tsy ny famonoana ny zaza Malagasy na oviana na oviana no hanala isika amin’izao fahantrana izao ! Avelao hiaina toa anao ny hafa, hanana ny fiainany », hoy ny hafatra mafonja. Niantso fahamailoana amin’ireo mpanararaotra ny savorovoro misy, ka mikendry ny hampisaritaka ny fiainam-piarahamonina ihany koa ny Fivondronamben’ny Eveka. Nanentana mba ny hifadian’ny rehetra ny endrikendrika sy ny tondrotondro, ka hamaliana faty ireo halako bika tsy tiko tarehy satria loza ho an’ny fiarahamonina ny manendrikendrika. Nientefa tamin'ny mpitondra ka naneho fa tsapa ny ezaka ataon'izy ireo, saingy nilaza mazava fa tokony ho betsaka noho ny teny ambara ny tanterahana sao variana ka miha mahazo vahana hatrany ny ratsy. "Aoka mba hisy ny mangarahara amin'izay tena anton'izao horohoro izao fa tsy very an-javony toy ny mahazatra". Nanamafy ny antso hoe : « aza mamono olona » ny Fivondronamben’ny Eveka, ka naneho fa miombom-po sy mitondra am-bavaka.
Toky R