airtel

Fandriampahalemana

14-juil-2026

Oniversiten'Antananarivo

Noferana ny ora fidirana sy firavana

Sample post image

Namoaka naoty ny

14-juil-2026

Oniversiten’Antananarivo omaly 13 jolay 2026 taorian’ny fanapahan-kevitry ny Filankevitra Siantifika manoloana ny tranga fahaverezana sy faty olona miseho eto amin’ny firenena. Fanapahana mikendry ny hitandroana ny filaminana sy ny fiarovana anatiny eo amin’ny toeram-pianarana sy toeram-piasana. Mihatra ny fepetra fa ny ora fidirana amin’ny toerana rehetra ao amin’ny Oniversite dia amin'ny 07 ora maraina no aloha indrindra, ary ny ora firavana kosa dia 05 ora hariva no aoriana indrindra. Ankoatra izany, dia tsy maintsy ampiasaina ny kara-pamantarana ho an’ny mpampianatra, mpandraharaha ary mpianatra rehetra. Ny Sojabe sy ny Tale isaky ny sampam-pampianarana no hanara-maso ny fampiharana ireo fepetra ireo, izay mihatra hatramin’ny famoahana fandaminana vaovao. Zava-dehibe ny fandraisana fepetra tahaka izao manoloana ny toe-draharaha. Isan'ny efa nandray fanapahana mitovitovy amin'izao ireo sekoly ambony sasany, toy ny Oniversite Ravelojaona na ny ONIFRA, izay nanapa-kevitra fa mirava amin'ny 3ora tolakandro ny mpianatra ho an'ny tapany hariva, mba hitsinjovana ireo mpianatra sy ho fiarovana amin'ny tranga hafahafa miseho ankehitriny toy ny fanjavonana na fakana an-keriny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2026

afaka manao tik tok

Card image cap
22-oct-2026

Voasambotra tany Ilakaka i Kelindaty

Card image cap
22-oct-2026

Natsipin’ny jiolahy teny amin’ny arabe,

Card image cap
22-oct-2026

Telolahy nidoboka am-ponja ao Tolagnaro

Card image cap
21-oct-2026

100 taonina isan-taona,

Card image cap
21-oct-2026

Tratra ihany rehefa avy

Card image cap