airtel

Fandriampahalemana

22-juil-2025

Polisim-pirenena

Kaomisera sy ofisie 80 no nanao fianianana

Sample post image

Commissaire de police» na kaomisera miisa 30 sy «officier de police»,

22-juil-2025

izany hoe ofisie eo anivon’ny polisim-pirenena malagasy miisa 50 avy amin'ny andiany MANAMPI nahavita fianianana amin'ny maha mpikaroka fandikan-dalàna azy ireo omaly tetsy amin'ny fitsarana anosy, hoy ny fampitam-baovao voaray.Tontosa tao amin'ny lapan'ny fitsaràna Anosy ny lanonam-pitsaràna fandraisana ny fianianana amin'ny maha mpikaroka fandikan-dalàna an'ireo «commissaire de police» sy officier de police» 80 mianadahy avy amin'ny andiany MANAMPI ireo. Natao izao fianianana izao ho fanamarihana ny maha mpikaroka fandikan-dalàna azy ireo ary fanambaràna ny fahafahany mandray izany andraikitra izany. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ity fotoam-pitsaràna ity ny talen'ny fikarohana sy fiofanana mitohy eo anivon'ny minisiteran'ny filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Rasoamananjara Pierette Marie Françoise, raha ny fampitam-baovao voaray mikasika ity lalàna ity omaly hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-août-2026

Avotra soa aman-tsara i Sandratriniaina,

Card image cap
24-août-2026

Mitantara ireo efa lasibatra

Card image cap
24-août-2026

Nisehoana tranga mampalahelo heverina

Card image cap
21-août-2026

Voasambotra tany Manakara

Card image cap
21-août-2026

Razana miisa 8 no lasan'ireo jiolahy

Card image cap
21-août-2026

namonoana Raim-pianakaviana

Card image cap