Olona miisa 54 kosa no avotra teo am-pelantanan’ny mpaka an-keriny ka ny 07 tamin’izy ireo dia varira avokoa. Basy samihafa 394 isa kosa no tratra teny amin’ireo jiolahy. Teo koa ireo fahana basy miisa 931 sy dinamita miisa 17 izay tratra. Mikasika ny zava-mahadomelina dia rongony milanja 14.287,41kg sy 26 gony ary 218 fonosana no sarona miampy zava-mahadomelina mahery vaika milanja 3,107kg sy 20 cocottes ary 46 daozy. Ho an’ny halatra lavanila maintso na voakarakara kosa indray dia milanja 3.972,27 kg no tratra ka nogiazana. Tsy latsa-danja amin’ireo ny raharaha mahakasika ny herisetra noho ny mahalahy na mahavavy izay nahatratra 8.856 no voavaha tamin’ireo olana miisa 11.293 voaray. Manome salan’isa 78, 42% izany amin’ny ankapobeny ka ireo vehivvay no tena betsaka lasibatra.
Pati
Henjana ny tsy fandriam-pahalemana, hany ka atoandro be nanahary mihitsy no manao