airtel

Fandriampahalemana

08-août-2025

Raha sanatria tafiditra lalina ny mpitondra

Kizo vaovao ho an’ny firenena ny raharaha «Triple 7»

Sample post image

Miakatra hatrany ny hahavon’ny tranga mamoha henatra na «scandale» na «gate»

08-août-2025

nifandimby teto amin’ny firenena tao anatin’izao fitondràna Rajoelina izao. Teo ny raharaha «Panier Garni», ny «Bonbon sucette», ny «Ecran plat», ny volamena lasa vy, ny Romygate, ny resaka safidin’i Madagasikara manoloana ny adin’i Okrainina sy Rosia, ny volamena 73,5kg, ny volamena tany Kaomoro vao hita, ny satroboninahitrana mpanjaka tsy hita sy ny maro hafa tsy voatanisa dia tato ho ato indray izany nisy iny raharaha fanapoizinana sy fahapoizinana iny ary ity raharaha mahakasika fiaramanidina Boeing 777 na «Triple 7» miisa 5 mifaningotra amina firenena sokajian’ny firenen-dehibe toy ny amerikanina ho mpampihorohoro tahaka an’i Iran itony. Nilaza ho tsy nahalala na inona na inona tao anatin’ilay raharaha moa ny praiminisitra malagasy, Ntsay Christian, sy ny filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina, saingy maro ireo fanehoan-kevitra etsy ankilan’izay no milaza fa tsy mampino izany. Ireo diaspora na malagasy monina any ivelany mpanohitra mamaivay izao fitondràna izao aza sahy milaza mihitsy fa ny resa-bola mihoatran’ny 200 tapitrisa Ariary dia tsy maintsy mandalo ambany mason’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ka noho izany dia tsy maintsy nandalo ambany masony koa ny fanekena ny fanomezana laharana na «immatriculation» an’ireo fiaramanidina ireo. Ny mpahay toekarena, Jean Jacques Ratsietison, tetsy ankilany nanazava fa Iran no mpamatsy fitaovam-piadiana amin’ny alalan’ny karazam-piaramanidina tahaka an’itony ireo firenena heverina ho mpampihorohoro tahaka an’i Yemen, Liban, Syrie. Vondrona revolisionera izay heverina ihany koa fa fahavalon’ny firenena amerikanina ireo. Nambaran’ny praiminisitra ihany koa fa niantso ny FBI na Federal Bureau of investigation ny fanjakàna malagasy ary nampahatsiahy indray ny mpahay toekarena voalaza teo fa tsy mila antsoina izany akory ny amerikanina dia tonga eo rehefa misy raharaha heverina ho manohitohina azy tahaka izao. Tsetsatsetsa tsy aritra, etsy ankilan’izay, no hanazavàna, hoy ny lezionera fahiny iray, fa niha nivelatra hatrany ny faritra lasa iadidian’izany FBI izany satria raha natao isahana ny raharaha anatin’i Etazonia amin’ny maha birao na «bureau» azy izy teo aloha dia niha niitatra kelikely nisahana ireo firenena manodidina tahaka an’i Kolombia sy Venezoela ary ankehitriny moa dia lasa misehatra amin’ireo firenena maro ahiana ho mikitikitika ny fiandrianan’ny firenena amerikanina mihitsy noho ny traikefan’izao birao federaly mpanadihady izany. Na ny CIA na Central intelligence Agency, izay nisahana ny raharaha ivelan’i Etazonia teo aloha aza lasa voatery miara-miasa matetika amin’ny FBI rehefa misy izay filàna fanadihadiana lalina amina raharaha mikitikitika ny fiandrianan’i USA izay. Kizo vaovao ho an’ny firenena malagasy, noho izany, ity raharaha ity, raha sanatria tafiditra lalina anatiny ny mpitondra satria dia sarotra ny hino fa tsy hisy ny sazy ara-toekarena apetraky ny bekintana ho antsika vokatr’izany ary tsy hijanona eo amin’ny heverin’ny fitondram-panjakàna voakasika fa efa vokatry ny fanadihadiana farany izany FBI na CIA izany fa mbola hiditra lalina amin’ny fombany mandra-pahafa-po azy. Ny raharaha fampihorohoroana iraisampirenena sahanin’ireo rafitra amerikanina ireo moa tsiahivina fa mampigadra mandra-pahafaty any Guantanamo fa tsy Etazonia akory. Fonja iraisampirenena izay malaza ho ratsy fepetra indrindra eto ambonin’ny tany io, raha ny fanadihadiana hatrany.
Nangonin’i J. Mirija 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

Nahazo fiaramanidina LET-410 vaovao

Card image cap
10-févr-2026

Tsy nisy velona izany izy 3 lahy, tsy bevohoka ilay vehivavy maty

Card image cap
10-févr-2026

Omaly 9 febroary 2026, tamin'ny 3 ora 30 minitra maraina,

Card image cap