airtel

Fandriampahalemana

24-avril-2026

Saika hanafika mpanao

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

Sample post image

SAG teny Andohatapenaka

24-avril-2026

Nahazo vaovao marim-pototra momba ny fikasàn’andian-jiolahy nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teny Andohatapenaka ny Polisin’ny Service Anti-Gang (SAG). Mpandraharaha iray izay handeha hametraka vola eny amin’ny banky ny marainan’ny omaly 23 Aprily 2026 no nokendrena. Nirotsaka an-tsehatra nanao velam-pandrika sy nanakana izany ny Polisy, sady nikendry ny hisambotra ireo mpanao ratsy. Tamin’ny 06 ora maraina, voamarina fa niseho ireo jiolahy nitondra moto sy fiara Peugeot 309 fotsy. Narahan’ny Polisy izy ireo mandra-pahatongany teo amin’ny Lavage CDA Andohatapenaka, toerana heverina fa nanaovany fivoriana farany mialohan’ny hanaovana ny fanafihana. Rehefa nanantona hisambotra azy ireo ny Polisy dia namoaka basy ireo jiolahy. Nisy fifandonana nitranga ka jiolahy telo no maty voatifitra. Ilay nitondra fiara sy moto kosa dia vaky nandositra ary mbola karohina amin’izao fotoana izao. Nandritra ny fisavana, basy poleta efa voafahana misy bala dimy, sabatra iray, antsy maranitra iray ary “Big Boss” roa no hita. Fantatra ihany koa fa efa nigadra teny Tsiafahy ny roalahy tamin’ireo lavo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2026

Tonga hatrany an-davarangan’olona mangalatra lamba sy vilany

Card image cap
18-sept-2026

6 nidoboka am-ponja, iray tarika amin'ny 73kg...

Card image cap
18-sept-2026

Ravan'ny Polisim-pirenena, olona 9 voasambotra tany Tolagnaro

Card image cap
18-sept-2026

vadiny dia namono ten izy

Card image cap
18-sept-2026

Nampidirina am-ponja vonjimaika

Card image cap