airtel

Fandriampahalemana

03-juil-2026

Sesilany ny ankizy sy olona manjavona

Fampihorohoroana sy zava-doza iniana volena...

Sample post image

Manao ranolava ny tranga fanjavonana zaza,

03-juil-2026

ankizy, tanora, hatramin'ny lehibe. Tsy mijanona amin'ireo manana toe-tena varira izay efa ho am-polony ny tsy hita na novonoina tamin'ny fomba feno habibiana tao anatin'ny 6 volan'ny voalohan'ny 2026, fa dia miitatra amin'ireo manana toe-tena tsotra ny trangam-piarahamonina hafahafa. Ampahany ihany tao anatin'ny iray volana ireto: tovolahy kely 13 taona mpianatry ny Capucins Ankerana tsy hita nanomboka ny 01 jona ka asa na mba efa hita soa aman-tsara ? Mpianatry ny " Saint Michel Itaosy" 15 taona tsy hita ny 01 jona. Ny 2 Jiona 2026, zazalahy 8 taona monina ao Alasora no tsy hita popoka taorian’ny fisakafoanana atoandro, rehefa nilaza handeha “hitifitra vorona any antsaha” izy talohan’ny tsy fahitana azy. Ny 8 jona, zazalahy 14 taona hafa indray, no tsy hita rehefa nirahina nividy zavatra teny akaikin’ny tranony tao Ambohitrarahaba. Ny 9 Jiona, zazalahy iray hafa ihany koa no voalaza fa niala tao an-tranony tao Alatsinainikely vao maraina, saingy tsy niverina taorian’izay. Ny zoma 26 jona alina teo, teny amin’ny Fokontany Tongarivo , Tanjombato, nanjvona Razafimahatratra Fetraniana, zazalahy 15 taona. Zazavavikely 12 taona antsoina hoe Solaine maty notifirin'ny jiolahy tao an-tranony ny 27 jona. Omaly, lehilahy iray hita faty teny Amboanjobe RN7, tsy teo intsony ny filahiany. Tany Mahajanga, tsy hita nanomboka ny 29 jona ihany koa Ratsimbazafy Griffine, tovovavy 15 taona, mpianatra ao amin'ny Lycée Technique Mahajanga izy ary monina eny La Corniche. Isan'ny nampivarahontsana ny nanjavonan'i Sahala Fanekena, 12 taona, vao afaka CEPE. Teo Ampefiloha Ambodirano nirahana nividy mofo teo akaiky ny trano ihany (20m miala amin'ny trano ihany ) saingy tsy hita niverina intsony, ka indrisy fa ny 30 jona dia ny vatana mangatsiakany sisa hita teny Amboanjobe Antsimon' Andoharanofotsy ny razana. Mbola maro ny tranga hafa: Tiandraibe Gracia, tsy hita nanomboka ny 30 jona 2026 tamin'ny 04 Ora Tolakandro; Juliannah 17 taona tsy hita nanomboka ny 30 jona; tsy hita nanomboka ny 30 jona i Tatamo Onisoa Rajaonarivo mirefy 1m55 ary 31 taona. Zazalahy kely iray 13 taona antsoina hoe Elie Idéal nandeha naka "bulletin" niainga teny Manjaka Ilafy niazo ny Lycée Technique Ampefiloha tsy hita ny 01 jolay, izay hita teny amoron-dàlana teny Analamahitsy omaly saingy tsy tonga saina; tsy hita i Lanja Lalaina, 14 taona. Zazavavikely antsoina hoe Jessica ihany koa no tsy hita teny 67Ha ny 30 jona ; vehivavy 47 taona antsoina hoe Donatienne ihany koa no tsy hita nanomboka ny 30 jona raha ny filazana niparitaka omaly,... Heverina fa ampahany ireny fa tena sesilany ireo tranga!
TRANGA INIANA VOLENA HITERAKA HOROHORO SY KORONTANA?
Saika mameno ny tambajotran-tserasera sy peta-drindrina ny fanjavonana izay toa zary lasa tranga sy toe-javatra misesy sy hafahafa. Taratry ny tsy fandriampahalemana, fa ahiana ihany koa ho toe-javatra tsy tongatonga ho azy fa iniana volena hanakorontana fiarahamonina sy Firenena? Toa mitovitovy tamin'ny raharaha "rôrô" nahalasibatra tanora maro taona vitsy lasa, fa ity tena tonga hatrany amin'ny fifofoana aina ny sasany. Misy ny tranga maningana toy ny hoe lasa niaraka amin'ny sakaizany fa ity toa efa zava-mitranga mahafaobe na "phénomène" eo anivon'ny fiarahamonina sy ny Firenena. Irariana mba ho hita avokoa ireo nanjavona fa raha ny zava-misy aloha dia toa maro amin'ireo tranga no feno misitery indrindra eo anatrehan'ny fifofoana aina hoe: resaka sorona ? Fampihorohoroana saim-bahoaka? Valifaty ? Asa hiniana volena noho ny antony politika hanehoana fa tsy mandry ny tany? Tsy misy mpiaro sy mpiahy ny vahoaka sy ny fananany ? Na izany aza, tsy afaka hialokaloka amin'izany ny Fanjakana fa manana adidy hametraka paikady mahomby hametrahana fandriampahalemana satria tena miaina anaty zava-doza ny fiarahamonina. Entanina ny rehetra ho mailo sy hanao andrimaso ny ankizy sy ny tanora fa tena zava-doza no mitranga.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

politika mamoafady...

Card image cap
16-juil-2026

Nentin-dRainy, tsy nifanarahana tamin-dReniny

Card image cap