airtel

Fandriampahalemana

07-juil-2025

SOAVIMASOANDRO

Nalefa eny Antanimora ireo roalahy mpanaparitaka rongony

Sample post image

Tratran’ny Polisy avy ao amin’ny sampan-draharahan’ny Stup Anosy,

07-juil-2025

teo am-pivarotana rongony ny roalahy atoandron’ny 30 Jona teo teny Soavimasoandro. Efa maro ny fitarainana voarain’ny Polisim-pirenena mikasika ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eny amin'iny faritra iny, ka nisy paikady manokana napetraka nahafahana nisambotra azy ireo.Fehin-drongony milanja 05 kilao mahery niampy fonosana miisa 93 izay efa vonona ho amidy no tratra teny amin’izy ireo. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy ireo natao fanadihadiana. Niakatra fampanoavana ny Alarobia teo ary nidoboka eny Antanimora izy roalahy.
Pati
Légende : Ireo roalahy mpivaro-drongony eny Soavimasoandro ! 

Dans la même rubrique

25-août-2026

fiarahamonina manontolo izao!"

Card image cap
24-août-2026

Avotra soa aman-tsara i Sandratriniaina,

Card image cap
24-août-2026

Mitantara ireo efa lasibatra

Card image cap
24-août-2026

Nisehoana tranga mampalahelo heverina

Card image cap